1Tatỳ aorian’izany, nasandratr’i Asoerosy mpanjaka, laharam-boninahitra i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, nasandrany sy napetrany amin’ny fitoerana ambony noho ny an’ny lehibe rehetra nanolotra azy izy.
2Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Amàna avokoa ny mpanompon’ny mpanjaka izay teo am-bavahadiny, fa izany no didin’ny mpanjaka momba azy. Nefa i Mardokea tsy mba nandohalika na niankohoka,
3ka hoy ireo mpanompon’ny mpanjaka, izay teo am-bavahadiny, tamin’i Mardokea: «Nahoana ianao no mandika ny didin’ny mpanjaka?»
4Raha naverimberiny taminy isan’andro izany, nefa tsy nohenoiny izy ireo, dia nampandrenesiny an’i Amàna izany, hahitany raha hikiry amin’ny hevitra voakasany i Mardokea, satria efa voalazany tamin’izy ireo fa hoe Jody izy.
5Nony hitan’i Amàna fa tsy nandohalika na niankohoka teo anatrehany i Mardokea, dia tezitra indrindra izy.
6Nataony ho tsinontsinona aminy anefa ny maninji-tanana amin’i Mardokea irery, fa efa nilazana izay firenen’i Mardokea izy ka dia ny handringana ny firenen’i Mardokea dia ny Jody rehetra, teo amin’ny fanjakan’i Asoerosy manontolo, no notadiavin’i Amàna.
3. TANDINDOMIN-DOZA IREO JODYDidy navoaka handripahana ny Jody7Tamin’ny volana voalohany izay volana Nisàna, taona faha-12 nanjakan’i Asoerosy, dia nanaovana ny Pora izany hoe loka, teo anatrehan’i Amàna, ho an’ny isan’andro sy ho an’ny isam-bolana, hatramin’ny volana faha-12, izay volana Adara.
8Tamin’izay, hoy i Amàna tamin’i Asoerosy mpanjaka: «Ao amin’ny faritanin’ny fanjakanao rehetra dia misy vahoaka eo afovoan’ny vahoaka hafa, nefa mitokana ihany, hafa lalàna noho ny vahoaka hafa rehetra, ary tsy mba mitandrina izay lalàn’ny mpanjaka. Tsy mba mahasoa ny mpanjaka ny mamela ireny amin’izao.
9Fa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hanoratana didy handringanana ireny, dia handanja talenta vola fotsy iray alina eo an-tanan’ny mpanao raharaha aho, halatsaka ao amin’ny rakitry ny mpanjaka.»
10Dia noesorin’ny mpanjaka ny peratra teny an-tanany, nomeny an’i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, fahavalon’ny Jody, ka hoy izy taminy:
11«Afoy ho anao ny vola mbamin’izany vahoaka izany, ka ataovy amin’izay itiavanareo azy.»
12Koa tamin’ny andro faha-13n’ny folon’ny volana voalohany, nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka, dia nanoratra araka izay rehetra nasain’i Amàna natao, ho an’ny solo-mpanjaka, ny governoran’ny isam-paritany, ny lehiben’ny isam-pirenena, natao araka ny soratry ny isam-paritany, araka ny fitenin’ny isam-pirenena, ary nosoratana tamin’ny anaran’i Asoerosy mpanjaka, sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka.
13Nalefa nentin’ny tsimandoa ny taratasy any amin’ny faritanin’ny mpanjaka rehetra, mampandringana sy mampamono ary mampandripaka ny Jody rehetra, na antitra na tanora, na zaza na vehivavy, amin’ny indray andro monja, dia amin’ny andro faha-13n’ny volana faha-12, izay volana Adara, sady mampandroba ny fananany rehetra.
Jereo ny kôpian’ny didy ao amin’ny toko 13,1-7
14Nisy kôpian’ny teny izay tsy maintsy aely ho didy amin’ny isam-paritany, nalefa misokatra ho any amin’ny firenena rehetra, mba samy ho vonona ho amin’izany andro izany.
15Nandeha faingana ny tsimandoa, araka ny tenin’ny mpanjaka. Ary navoaka tao Sosa, renivohitra, koa ny lalàna; ary raha nipetraka hisotro ny mpanjaka sy i Amàna, ny tanàna Sosa kosa nikorontana be ihany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.