Jenezy 16 - Malagasy Catholic Bible

Ny nahaterahan’i Ismaely

1Tsy niteraka tamin’i Abrama i Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejiptianina anankiray atao hoe Agara izy.

2Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.

3Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny.

4Nandeha tamin’i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny.

5Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Mihatra aminao izao faniratsirana ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka i Iaveh anie hitsara ahy sy ianao.»

6Hoy ny navalin’i Abrama tamin’i Saray: «Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy araka izay ataonao ho mety.» Dia nampahorin’i Saray i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.

7Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.

8Hoy izy: «Ry Agara, mpanompovavin’i Saray, avy aiza ianao ary ho aiza?» Hoy ny navaliny: «Mandositra lavitra an’i Saray tompovaviko aho.»

9Fa hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Miverena any amin’ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambanin’ny fahefany.»

10Ary hoy koa ny anjelin’i Iaveh: «Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.»

11Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.

12Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.»

13Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»

14Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io.

15Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara.

16Efa enina amby valopolo taona i Abrama tamin’ny niterahan’i Agara an’i Ismaely tamin’i Abrama.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help