1Ary novorin’i Môizy ny fiangonan’i Israely rehetra ka nilazany hoe: «Izao no zavatra nodidian’i Iaveh hatao:
2Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin’ny asa rehetra hankalazana an’i Iaveh. Izay manao taozavatra amin’io andro io dia hohelohin-ko faty.
3Tsy hisy hampirehetana afo ny tranonareo amin’ny andro sabata.»
Fanangonana ny hoenti-manana(Jereo 25,2-7)4Niteny tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra i Môizy ka nanao hoe: «Izao no nodidian’i Iaveh hatao:
5Manokàna zavatra hatolotra ho an’i Iaveh amin’ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin’i Iaveh, dia volamena, volafotsy, varahina,
6jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon’osy,
7hoditr’ondralahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià,
8diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana, sy ny zava-manitra fanembohana,
9vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
10Aoka hanatona izay rehetra manam-pahaizana aminareo hanao izay rehetra nasain’i Iaveh atao:
11ny Fonenana, ny lainy amam-pirakony, ny masom-bolany, ny hazo fisany, ny barany, ny andriny, ny faladiany;
12ny fiara mbamin’ny baony, ny fanaovam-panavotana, ny efitra lamba,
13ny latabatra mbamin’ny baony amam-panaka rehetra momba azy, ny mofo alahatra,
14ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka aman-dalampy momba azy, ny diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro;
15ny ôtely fandoroan-java-manitra mbamin’ny baony, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, ny varavarana lamba amin’ny fidirana ho ao amin’ny Fonenana,
16ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny harato varahina aminy, ny baony, ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy amam-paladiany,
17ny fefy lamba amin’ny kianja mbamin’ny andriny, ny faladiany ary ny vavahady lamba amin’ny kianja,
18ny tsimatry ny Fonenana sy ny tsimatry ny kianja mbamin’ny kofehiny,
19ny fanamiana fitondra raha manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona sy ny fanamian’ireo zanany fitondrany raha manao raharaham-pisoronana.»
20Nony nirava avy eo anatrehan’i Môizy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,
21dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.
22Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tanana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an’i Iaveh.
23Izay rehetra nanana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon’osy, hoditr’ondralahy voasoka mena, ary hodi-dogaona, dia samy nitondra avokoa.
24Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an’i Iaveh. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany.
25Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika.
26Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon’osy.
27Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra,
28zava-manitra aman-diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro sy ny diloilo fanosorana ary ny zava-manitra mamerovero.
29Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Ny mpiasa hanao ny tabernakla(Jereo 31,2-6)30Ary hoy i Môizy tamin’ny zanak’i Israely: «Aoka ho fantatrareo fa i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà, no efa nofidin’i Iaveh.
31Nofenoin’ny fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina ary fahaizana hanao asa samihafa isan-karazany,
32ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina,
33ny misokitra vato halatsaka an-tranontranony, ny mandrafitra hazo ary ny mahavita ny asa samihafa rehetra ilam-pahaizana.
34Efa nataon’Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin’i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana.
35Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asiana sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.