1I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, dia mamangy ny olona masina (any Efezy), mbamin’ny mpino ao amin’i Kristy Jesoa;
2ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
I. NY MISTERY MOMBA NY FAMONJENA SY NY FIANGONANARafitr’Andriamanitra momba ny famonjena3Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
4sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
5ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
6nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.
7Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
8izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
9fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,
10rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.
11Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
12mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.
13Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,
14sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.
Fandresen’i Kristy sy ny maha ambony Azy noho ny hafa15Noho izany, nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
16dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,
17mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
18ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
19ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiàsan’ny heriny tsitoha.
20Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany, tamin’ny nananganany azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
21ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,
22fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
23izay tenany, famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.