Salamo 68 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 68 (Volgata 67)Hira fandresen’i Israely

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.

2Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony,

ary handositra ny Tavany, ireo mankahala Azy.

3Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny;

tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo

no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.

4Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo

eo anatrehan’Andriamanitra,

aoka hientan-kafaliana izy ireo!

5Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany!

Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka!

Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!

6Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy,

Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.

7Ireo nilaozana, dia omen’Andriamanitra trano;

manafaka ny voababo sy mamerina azy eo amin’ny fiadanana Izy

ny mpiodina ihany no tavela eo amin’ny efitra mahamay.

8Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao,

ka nandroso teo amin’ny efitra.

- Selà

9dia nihozongozona ny tany,

nitsonika teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny lanitra aza.

I Sinaia aza nihararetra teo anatrehan’Andriamanitra,

Andriamanitr’i Israely.

10Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavana Ianao:

trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray.

11Nandefa biby Ianao, ka nirotsaka tao izy ireo.

Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory.

12Nampandre ny teniny ny Tompo;

antokom-behivavy maro no milaza ny fandresena.

13Mandositra, mandositra, ireo mpanjakan’ny tafika,

ary mizara ny babo kosa ilay vehivavy mitoetra an-trano.

14Raha nandry teo amin’ny valan’ondry ianareo;

rakotra volafotsy ny ela-boromahailala

ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny volamena ny volony.

15Nony naelin’ny Tsitoha ny mpanjaka eo amin’ny tany,

dia latsaka teo Selmôna ny oram-panala.

16Ry tendrombohitr’Andriamanitra, ry tendrombohitr’i Basàna,

17ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana?

Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.

18Ilay kalesin’Andriamanitra dia ireo an’arivony, an’arivony.

Avy any Sinaia ho ao amin’ny fitoerany masina ny Tompo.

19Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao;

mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao.

Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.

20Hisaorana anie ny Tompo;

mitondra ny entantsika isan’andro Izy;

Andriamanitra mamonjy antsika Izy.

- Selà

21Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika;

I Iaveh Tompo dia manafaka amin’ny fahafatesana.

22Eny, Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony,

dia ny handrina be volon’izay mandeha amin’ny haratsiana.

23Ny Tompo nilaza hoe: «Hampodiko avy any Basàna ireny,

hampodiko avy any ambany ranomasina ireny,»

24mba hanobohanao ny tongotrao ao anatin’ny ra

sy hananan’ireo lelan’ny alikanao anjara, amin’ny fahavalo.

25Hitan’ny olona ny dianao, ry Andriamanitro,

dia ny dian’ny Andriamanitro, ny Mpanjakako, ho ao amin’ny fitoerana masina.

26Ny mpihira no eo aloha, ny mpitendry zava-maneno no manarakaraka.

Ireo zazavavy mively ampongatapaka no eo afovoany.

27Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana,

misaora ny Tompo ianareo izay avy amin’ny loharanon’i Israely.

28Indro i Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo;

ny andriandahin’i Jodà mbamin’ny antokon’izy ireo;

ny andriandahin’i Zabolôna, ny andriandahin’i Neftalì.

29Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra,

hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!

30Ao amin’ny fitoerana masina, ao an-tampon’i Jerosalema,

no hanoloran’ny mpanjaka fanatitra ho Anao.

31Rahòny ny biby any anaty bararata

ny andian’ombilahy aman-janak’ombin’ny vahoaka,

mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy,

aparitaho ireo firenena tia ady!

32Aoka ho tonga avy any Ejipta ny tremalahy,

aoka hidodododo hanandra-tanana amin’Andriamanitra i Etiôpia.

33Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, fanjakana eto an-tany,

mankalazà ny Tompo ianareo!

- Selà

34Mihirà ho an’ilay lanjaina ao ambonin’ny lanitra, ny lanitra fahagola.

Indro Izy, mampandre ny feony, feo mahery!

35Maneke ny fahefan’Andriamanitra!

Ny fiandrianany ao amin’i Israely,

ny fahefany eny amin’ny rahona.

36Mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra, eo amin’ny fitoeranao masina!

Manome hery amam-pahefana ny vahoakany,

ny Andriamanitr’i Israely.

Hisaorana anie Andriamanitra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help