1Nahoana, ry Iaveh, no mijanona eny lavitra eny Ianao,
sy miery amin’ny andron’ny fahoriana?
2Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona;
izy ireo dia voan’ny teti-dratsy noforonon’io.
Mem3Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy;
manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.
Non4Hoy ny ratsy fanahy, amin’ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy!
Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.
5Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin’izay alehany.
Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany;
ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.
6Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho,
voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.
Fe7Feno ozona sy fitaka amam-panaovana an-keriny ny vavany;
hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.
8Manao otrika eo akaikin’ny tanàna izy;
mamono ny tsy manan-tsiny ao amin’ny fitoerany an-katakonana.
AinMitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;
9mitily ao amin’ny fitoerana miafina toy ny liona ao
anaty hazo milobolobo izy;
mitily izy hisovoka ny malahelo;
samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin’ny fandrika haratony.
Tsade10Miondrika izy, mifitsaka,
dia lavo eo amin’ny hohony ny ory.
11Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra;
efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»
Kôf12Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao ry Andriamanitra!
Aza manadino ny ampahorîna
13Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga
an’Andriamanitra?
ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay Ianao?
Resh14Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana,
mba hiandraiketanao ny momba azy,
Ianao no iankinan’ny malahelo;
mamonjy ny kamboty Ianao.
Shin15Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy;
ny tsy mpivavaka - raha karohinao ny helony,
tsy ho hitanao va izany?
16I Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria,
ho voafongotra eo amin’ny taniny ny firenena.
Tao17Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh;
mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
18mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny hampahorina,
ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona
nalaina tamin’ny tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.