Jeremia 18 - Malagasy Catholic Bible

I Jeremia ao amin’ilay mpanefy vilany tanimanga

1Ny teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, toy izao:

2«Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny Teniko.»

3Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.

4Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

5Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh toy izao:

6«Moa aho tsy mahazo manao aminareo,

toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely?

- teny marin’i Iaveh. -

Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy,

ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.

7Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray,

ny amin’ny fanjakana iray

hoe: hongotana, hazera, horavana.

8Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana,

mba miverina miala amin’ny haratsiany,

dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy.

9Matetika Aho miteny amin’ny firenena iray,

na amin’ny fanjakana iray,

hoe: haorina sy hambolena.

10Kanjo raha manao izay ratsy eo imasoko izany firenena izany,

tsy mahahaino ny feoko,

dia hanenenako ny soa nolazaiko hatao azy.

11Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà,

sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe:

Izao no lazain’i Iaveh:

Indro Aho mamorona loza hanjò anareo,

sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo.

Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy,

sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.

12Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany!

Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany,

sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »

I Israely manadino an’i Iaveh

13Noho izany izao no lazain’i Iaveh:

«Manontania ny firenena ianareo:

Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany?

Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.

14Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy

eny an-tany lemaka, va

ny oram-panalan’i Libàna?

Hita ritra va ny rano avy lavitra,

ka mangatsiatsiaka sy mandeha?

15Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy;

ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra,

ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany,

dia amin’ny lalana fahataloha,

handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;

16Mba hahatonga ny taniny ho lao,

sy ho zavatra fandatsa mandrakizay;

dia hitanàka izay rehetra handalo ao,

ary hikifi-doha.

17Toy ny fanelin’ny rivotra avy atsinanana no anelezako azy,

eo anoloan’ny fahavalony.

Ny lamosiko fa tsy ny Tavako no hasehoko azy ireo,

amin’ny andro hiharan’ny loza aminy.»

Tetika hamonoana an’i Jeremia(Jereo Jer 15,10)

18Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika

hamely an’i Jeremia isika;

fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona,

na ny hevitra ao amin’ny hendry,

na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany!

Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy,

ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»

19Atongilano amiko, ny sofinao, ry Iaveh,

ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!

20Dia ratsy va no havaly ny soa,

no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo?

Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,

hiteny aminao mba ho azy ireo,

hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

21Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany,

ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo!

Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady;

aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta;

ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!

22Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony,

rehefa tonganao tampoka

ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana.

Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo;

sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.

23Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô,

ny fiokoan’izy ireo hamonoany ahy.

Aza mamela ny helony;

aza vonoina eo imasonao ny fahotany;

fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy,

ary hasianao amin’ny andro fahatezeranao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help