Jôsoe 14 - Malagasy Catholic Bible

2. FILAZALAZANA NY TOETRAN’IREO FOKO TELO LEHIBE, TANY ANDREFAN’I JORDANYTeny mialoha

1Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.

2Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian’i Iaveh ho an’ny foko sivy sy ny antsasa-poko;

3fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen’i Môizy lova tany an-dafin’i Jordany, fa tsy mba nomeny lova teo amin’izy ireo ny Levita.

4Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.

5Nanatanteraka ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny zanak’i Israely, ka nizara ny tany izy.

Ny zara nomena an’i Kaleba

6Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.

7Efapolo taona aho, no nirahin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy.

8Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitro;

9ka nianiana i Môizy tamin’izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin’ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

10Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany i Iaveh hatramin’ny 45 taona nilazany izany teny izany tamin’i Môizy, fony i Israely nandeha tany an’efitra, ary 85 taona aho izao.

11Mbola matanjaka aho anio toy ny fony nirahin’i Môizy, ny heriko ankehitriny sahala amin’ny fahizàny, na hiady, na hivoaka sy hiditra.

12Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan’i Iaveh tamin’izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin’izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin’ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy i Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin’i Iaveh.»

13Dia nitso-drano an’i Kaleba, zanak’i Jefone, i Jôsoe, ary nomeny ho lovany i Hebrôna.

14Koa i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, no tompon-dova an’i Hebrôna mandraka androany, satria nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izy.

15Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima.

Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help