Salamo 48 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 48 (Volgata 47)I Siôna tendrombohitr’Andriamanitra

1 Fihirana. Salamon’ny taranak’i Kôre.

2Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra,

ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.

3Mitsangana mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra,

ny tendrombohitra Siôna,

eo amin’ny fara vazantany avaratra,

ny tanànan’ny Mpanjaka lehibe.

4Ao an-dapany, Andriamanitra,

niseho ho fiarovana.

5Fa he nivory ireo mpanjaka,

dia niara-nandroso izy ireo.

6Kanjo nahita Azy, dia vahotra terỳ,

nivadi-po izy, ka vaky nandositra.

7Hovitra no nahazo azy ireo teo,

fanaintainana hoatra ny an’ny vehivavy miteraka.

8Novakinao amin’ny rivotra avy Atsinanana,

ny sambon’i Tarsisa.

9Izay efa renay tamin’ny hafa dia ny masonay no nahita,

tao an-tanànan’i Iavehn’ny tafika,

tanànan’ny Andriamanitsika.

Hamafisin’Andriamanitra mandrakizay izy.

- Selà

10Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran’ny hatsaram-ponao izahay,

ao anatin’ny tempolinao.

11Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra,

toy izany koa ny fiderana Anao

tonga hatrany am-para vazantany.

Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

12Aoka hifaly ny tendrombohitra Siôna,

aoka hiravoravo ny zanaka vavin’i Jodà,

noho ny fitsarànao!

13Mandiava an’i Siôna ianareo; mandehana manodidina azy;

isao ny tranony mimanda.

14Jereo tsara ny mandany;

diniho ireo lapany,

hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.

15Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria;

Izy no mpitarika antsika amin’ny taona mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help