1Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina,
izay mitady an’i Iaveh.
Diniho ny vatolampy nanendahana anareo;
sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.
2Diniho i Abrahama rainareo;
sy i Sarà, izay niteraka anareo;
fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy.
dia notahiko sy nohamaroiko.
3Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh,
ka nampiononiny ny rava rehetra teo;
novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo;
ary ho zaridainan’i Iaveh ny tany foana tao.
Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao,
mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.
Hitsara an’izao tontolo izao i Iaveh4Mihainoa ny feoko, ry vahoakako,
manongilàna sofina, ry fireneko!
fa hamoaka lalàna Aho,
ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.
5Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko:
ary hitsara ny firenena ny sandriko;
manantena Ahy ny nosy,
ary matoky ny sandriko izy.
6Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo,
dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo;
fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka;
ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana;
ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa;
fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay;
ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.
7Mihainoa Ahy, ianareo mahalala ny fahamarinana,
ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao.
Aza matahotra izay latsan’olombelona;
na mivadi-po amin’izay fanaratsian’izy ireo.
8Fa holanin’ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo,
ary hokotehin’ny tsindoha, hoatra ny volon’ondry.
Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay;
ary ny famonjeko hihatra amin’ny taona rehetra.
Mifoha i Iaveh9Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery,
ry zandrin’i Iaveh!
Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha,
tahaka ny tamin’ny taona fahiny.
Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika,
sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?
10Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina,
dia ny rano tao amin’ny hantsam-be.
Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina
ho lalana nalehan’ny navotana?
11Koa hiverina ny navotan’i Iaveh;
dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana;
Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-
Mpankahery tapitra ohatra i Iaveh12Izaho dia Izaho no mampionona anareo;
fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty,
zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;
13ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao,
izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany;
mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro,
eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka
rehefa mioman-kandrava anao Izy.
Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?
Ny famonjena14Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika;
tsy ho faty ao an-davaka izy;
ary tsy ho diso hanina.
15Izaho dia Iaveh Andriamanitrao,
izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany;
Iavehn’ny tafika no anarany.
16Nataoko tao am-bavanao ny teniko,
ary noalofako tamin’ny aloky ny tanako ianao,
mba hamboly lanitra sy hanorina tany,
ary hilaza amin’i Siôna hoe: «Vahoakako ianao!»
Mifoha i Jerosalema17Mifohaza, mifohaza,
miarena ianao, ry Jerosalema,
izay efa nisotro ny kapoakan’ny hatezerana,
avy amin’ny tanan’i Iaveh;
izay efa nisotro sy nandany
ny kapoaka mahajenjina!
18Tsy nisy nitari-dalana azy, na iray aza,
ny zanany naterany rehetra.
Tsy nisy nitantana azy, na iray aza,
ny zanaka notezainy rehetra.
19Loza roa no namely anao: -
iza moa no hanao teny mangoraka anao? -
Dia ny fandravana amam-pandringanana,
ny mosary sy ny sabatra,
- hataoko ahoana no fampionona anao? -
20Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka
eny an-joron-dalana rehetra eny,
mova tsy ny antilôpa voan’ny fandrika harato,
jenjin’ny hatezeran’i Iaveh
sy ny fandrahonan’ny Andriamanitrao.
21Koa mihainoa izao, ry Ikala fadiranovana,
jenjina, fa tsy amin-divay!
22Izao no lazain’i Iaveh Tomponao
sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany:
Indro efa noesoriko teny an-tananao,
ny kapoaka mahajenjina,
ny kapoakan’ny fahatezerako;
tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.
23Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany,
dia amin-dry zareo nanao taminao hoe:
«Miondreha handehananay!»
Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany,
sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.