Jeremia 15 - Malagasy Catholic Bible

1Fa izao no navalin’i Iaveh ahy:

«Na i Môizy sy i Samoela aza no hitsangana eto anatrehako,

dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko;

roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!

2Ary raha tahiny izy manao aminao hoe:

Ho aiza anefa izahay?

dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh:

Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana;

ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra;

ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary;

ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.

3Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy,

- teny marin’i Iaveh -

dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira,

ny voromanidina, amam-bibin’ny tany,

hihinana sy handringana.

4Hataoko zavatra maharikoriko

halan’ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy ireo

noho ny amin’i Manase, zanak’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà,

dia noho ny nataony tany Jerosalema.

Loza vokatry ny ady

5Iza àry no hiantra anao, ry Jerosalema?

Zovy no higogogogo noho ny manjò anao?

Zovy no hivily lalana,

hanontany ny amin’ny toetranao?

6Efa nakifikao Aho, - teny marin’i Iaveh, -

ka lasa nihemotra any ianao;

ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao,

fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.

7Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy;

hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako;

fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.

8Ho maro ny mpitondratenany,

mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina.

Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho,

ao amin’ny renin’ny mpiady tanora

amin’ny mitataovovonana.

Hataoko mirotsaka aminy tampoka

ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.

9Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito,

efa hiala aina izy;

milentika mbola antoandro ny masoandrony;

mangaihay sy safo-kenatra izy.

Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan’ny sabatra

eo anoloan’ny fahavalony, - teny marin’i Iaveh.

I Jeremia antsoina indray(Jereo Jer 1,4-10, 17, 19)

10Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy,

mba ho olona filàna ady

amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho.

Tsy mba nisambotra na inona na inona aho,

tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy,

nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»

11Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao;

hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao,

amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.

12Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahina?

13Hatolotro ho babo maimaim-poana ny rakitra amam-panananao,

noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin’ny faritaninao rehetra;

14ary hafindrako miaraka amin’ny fahavalonao,

ho any amin’ny tany tsy fantatrao;

fa nisy afo nirehitra tamin’ny fahatezerako;

dia hirehitra eo amboninareo izy.»

15Mahalala izany ianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho,

ary valio izay manenjika ahy.

Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy;

fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.

16Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko;

zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko,

satria nantsoina tamiko ny Anaranao,

ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!

17Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho,

mba hiaranako amin’ny firavoravoana;

fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho,

satria nofenoinao hatezerana.

18Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako,

ary manaintaina ny feriko,

sady tsy mety sitrana?

Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao,

ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?

19Koa izao no lazain’i Iaveh:

«Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray;

hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako;

ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao,

dia ho tahaka ny vavako;

ary izy ireo hiverina hanatona anao;

fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.

20Hataoko manda varahina mafy

ho an’ity vahoaka ity ianao;

hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory;

satria homba anao Aho, hamonjy,

sy hanafaka anao, - teny marin’i Iaveh. -

21Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho,

ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help