Jônasy 3 - Malagasy Catholic Bible

Nibebaka i Niniva ka navelan’Andriamanitra

1Tonga fanindroany tamin’i Jônasy ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2«Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny lazaiko aminao».

3Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin’i Iaveh. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana.

4Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»

5Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.

6Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, mirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona.

7Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka aminy izao teny izao: «Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman’ondry;

8aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.

9Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika».

10Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help