Fitomanian’i Jeremia 2 - Malagasy Catholic Bible

FITOMANIANA FAHAROAALEF

1Ahoana re no nanaronan’ny Tompo rahona,

noho ny fahatezerany

ny zanaka vavin’i Siôna?

Navariny aman-tany avy any an-danitra,

ny hatsarana kanton’i Israely,

tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony,

tamin’ny andro fahatezerany rehetra.

BET

2Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra,

ny fonenan’i Jakôba rehetra.

Narodany tamin’ny hatezerany

ny mandan’ny zanaka vavin’i Jodà.

Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny

ny fanjakana ama-mpanjaka.

GIMEL

3Noho ny fahatezerany mirehitra

notapahiny avokoa ny herin’i Israely;

ny tanany ankavanana, nahemony

teo anoloan’ny fahavalony;

toy ny afo midedadeda

no narehiny teo amin’i Jakôba,

mandevona ny manodidina rehetra.

DALET

4Nanenjan-tsipìka toy ny ataon’ny fahavalo Izy

aty naninjitra ny tanany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra;

ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso;

tamin’ny lain’ny zanaka vavin’i Siôna

naidiny toy ny afo ny fahatezerany.

HE

5Nanao toy ny fahavalo ny Tompo:

I Israely noravany;

ny lapany noravany avokoa;

ny mandany narodany;

ny fijalian’ny zanaka vavin’i Siôna

notongoaviny fijaliana.

VAO

6Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly;

noravany ny fitoerany masina.

Nataon’i Iaveh nitsahatra tao Siôna

ny fety aman-tsabatra;

tamin’ny firehetan’ny hatezerany dia nariany amim-panesoana

ny mpanjaka ama-mpisorona.

ZAIN

7Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo

sy madikidiky amin’ny fitoerany masina.

Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo

ny mandan’ny lapany;

dia nisy nihorakoraka

toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.

HET

8Nosainin’i Iaveh ny handrava

ny mandan’ny zanaka vavin’i Siôna,

dia nohenjaniny ny famolaina,

tsy nahemony tsy handrava, ny tanany;

nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany,

niara-nitsingidina amin’alahelo ireo.

TET

9Ny vavahadiny tafalentika amin’ny tany,

novakìny, notapahiny ny hidiny,

ny mpanjakany ama-mpanapaka efa any amin’ny firenena,

tsy misy intsony ny lalàna,

ny mpaminany aza tsy mandray

fahitana avy amin’i Iaveh intsony.

IOD

10Mipetraka mangina amin’ny tany,

ny loholon’ny zanaka vavin’i Siôna;

nasiany vovoka ny lohany;

mitafy lasàka mitanondri-doha amin’ny tany,

ny virjinin’i Jerosalema.

KAF

11Levona azon’ny ranomaso ny masoko,

mangotika ny atiko;

mitsonika amin’ny tany ny atiko,

noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako,

raha ilay toran’ny harerahana iny

ny ankizy aman-jaza minono,

any amin’ny kianjan’ny tanàna.

LAMED

12Hoy izy amin-dreniny:

Aiza no misy mofo sy divay?

dia lavo toy ny voan’ny sabatra izy;

eny amin’ny kianjan’ny tanàna,

ary miala aina eny an-trotroan’ny reniny.

MEM

13Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao,

ry zanaka vavin’i Jerosalema?

Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao,

ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna?

Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao;

iza no hanasitrana anao?

NON

14Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao,

dia fahitana mpamitaka sy foana:

Tsy naneho ny helokao taminao izy,

mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana,

fa ny nolazainy taminao ho fahitana,

dia teny mandainga sy mandrebireby.

SAMEK

15Miteha-tanana avokoa ny amin’ny momba anao,

izay rehetra mandeha amin’ny lalana;

misitrîsitra sy mihifikifi-doha

amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

«Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary

fifalian’ny tany rehetra?»

FE

16Misanasana vava mamely anao

ny fahavalonao rehetra;

misitrîsitra mikitro-nify,

manao hoe: «Nolevonintsika izy!

Ity no ilay andro nandrasantsika,

tratrantsika izy, hitantsika izy!»

AIN

17Nataon’i Iaveh izay nokasainy;

notanterahiny ny teniny

izay efa nolazainy hatramin’ny andro taloha;

nandrava Izy fa tsy niantra,

nampifaly ny fahavalo noho ny aminao Izy;

nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao Izy.

TSADE

18Mitaraina amin’ny Tompo ny fon’izy ireo!

Ry mandan’ny zanaka vavin’i Siôna ô!

Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao,

andro aman’alina;

aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao!

Aza mety mijanona akory.

KOF

19Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina,

hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana;

aidino hoatra ny rano ny fonao,

eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo!

Manandrata tanana aminy,

ho an’ny ain’ny zanakao madinika,

izay lavo toran’ny hanoanana,

eny an-joron-dalana rehetra eny.

RESH

20Iaveh ô, jereo ka diniho:

Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana?

Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve?

Dia ny zanany madinika izay malalany?

Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo,

na ny mpisorona na ny mpaminany!

SHIN

21Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe,

ny ankizy sy ny anti-dahy;

ny virjiniko aman-jatovoko,

lavon’ny sabatra;

namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao;

namono tsy nanana antra ianao!

TAO

22Nantsoinao, hoatra ny amin’ny andro fety,

ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza;

tamin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh,

tsy nisy afa-nidify na nandositra:

naringan’ny fahavaloko

izay notiaviko sy nobeaziko!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help