1Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany:
«Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao,
nefa nihodivitra ny hatezeranao,
ka mampionona ahy Ianao.
2Inty ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh,
Izy no famonjena ahy teo.»
3Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:
4«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany,
5Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
6Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.