Baròka 1 - Malagasy Catholic Bible

I TENY MIALOHAI Baròka sy ny fivoriamben’ny Jody tany Babilôna

1Izao no teny ao amin’ny boky nosoratan’i Baròka zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa zanak’i Sedekiasa zanak’i Sedeì zanak’i Helkiasa, tany Babilôna,

2tamin’ny taona faha-5, andro faha-7n’ny volana, tamin’ny andro nahafahan’ny Kaldeanina an’i Jerosalema sy nandoroany azy.

3Ny teny amin’ity boky ity dia novakin’i Baròka tamin’ny sofin’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny sofin’ny vahoaka rehetra izay tonga hihaino izany boky izany;

4tamin’ny sofin’ireo lehibe sy ireo zanak’andriana, ary tamin’ny sofin’ny loholona sy tamin’ny sofin’ny vahoaka rehetra hatramin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia izay rehetra nitoetra tany Babilôna akaikin’ny ony Sodi.

5Nitomany sy nifady hanina ary nivavaka tamin’ny Tompo izy ireo, nandre izany.

6Nanangom-bola izy ireo araka izay zakany afoy avy, samy araka ny toe-pananany;

7dia nampitondrainy ho any Jerosalema amin’i Jôakima zanak’i Helkiasa zanak’i Salôma, mpisorona, sy amin’ny mpisorona sasany mbamin’ny vahoaka rehetra niara-nitoetra taminy tany Jerosalema.

8Azon’i Baròka indray tamin’izay ny fanaky ny tranon’ny Tompo, nentina avy any amin’ny Tempoly, ka nalefany ho any amin’ny tanin’i Jodà, tamin’ny andro faha-10n’ny volana Sivàna, dia ireo fanaka volafotsy nataon’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà;

9nony efa nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Jerosalema i Jekôniasa, ny mpanapaka, ny antoka, ny lehibe mbamin’ny sarambabem-bahoaka amin’ny tany, ka nentiny ho any Babilôna.

10Hoy izy ireo: Indro, mampitondra vola ho anareo izahay; izany vola izany ividiano izay hanaovana sorona dorana, sorona fanonerana, emboka manitra; manaova fanatitra koa, ary atolory eo ambonin’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitra.

11Mivavaha ho an’ny ain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ary mba ho an’ny ain’i Baltasara zanany mba ho toy ny andro any an-danitra ny androny eto an-tany;

12ary homen’ny Tompo hery isika; hampamirapiratany amin’ny masontsika ny mazava; hiaina eo ambanin’ny alokalok’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna isika, sy eo ambanin’ny alok’i Baltasara zanany; ho lava andro hanompoana azy isika, sy hahita fitia eo imasony.

13Mivavaha koa amin’ny Tompo Andriamanitsika, ho antsika; satria efa nanota tamin’ny Tompo Andriamanitsika isika; ary mbola tsy niala tamintsika mandrak’androany ny hatezerana amam-pahaviniran’ny Tompo.

14Vakio ity boky ity, izay ampitondrainay anareo, mba hamakiana azy ampahibemaso, ao amin’ny tranon’ny Tompo, amin’ny andro fety sy amin’ny fivoriana.

15ka ataovy hoe:

II VAVAK’IREO VOASESITANYFiaikena heloka

An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana; antsika kosa ny henatra amin’ny tava, araka izao hita anio izao, ho an’ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema,

16ho an’ny mpanjakantsika sy ny mpanapaka, ho an’ny mpisorontsika mbamin’ny mpaminany, sy ho an’ny razantsika.

17Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika;

18ary tsy nanaiky Azy. Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin’ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.

19Hatramin’ny andro nitondran’ny Tompo ny razantsika hiala tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny, dia tsy nety hoentin’ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.

20Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon’izay ozona notononin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.

21Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon’ireo mpaminany, izay nirahiny hankatỳ amintsika.

22Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan’ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason’ny Tompo Andriamanitsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help