1Mihainoa àry izay lazain’i Iaveh ianareo:
- Mitsangàna ianao ary ataovy vita ny adinao
eo anoloan’ny tendrombohitra,
ary aoka ny havoana handre ny feonao!
2Mihainoa ny adin’i Iaveh ianareo, ry tendrombohitra,
mbaminareo fanorenan’ny tany tsy azo ovana!
Fa manana ady amin’ny vahokany i Iaveh;
ka handahatra manohitra an’i Israely Izy. -
3Inona no nataoko taminao, ry vahoakako,
inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko.
4Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho,
ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana;
ary naniraka teo anoloanao,
an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.
5Tsarovy àry, ry vahoakako,
ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba,
sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy.
Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgalà,
hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.
6Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh
sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony?
Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho
dia zanak’omby efa iray taona?
7Hankasitrahin’i Iaveh va ny ondry arivoarivo,
ny renirano diloilo alinalina?
Hanolotra ny lahy matoako va aho, noho ny heloko,
dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko?
8Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara,
sy izay ilain’i Iaveh aminao,
dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po,
ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Teny mamely ireo mpamitaka ao an-tanàna9Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh
- ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: -
Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!
10Mbola misy, ao an-tranon’ny ratsy fanahy ihany va
ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko?
11Moa hadio va aho, raha mana-mizàna mandainga,
sy vato tsy marina ao anatin’ny kitapo?
12Feno fahasiahana ny mpanan-karena amin’ity tanàna ity;
milaza lainga ny mponina ao aminy,
ary fitaka eo am-bavany fotsiny, ny lelany.
13Koa izao kosa no Ahy, ka hasiako kapoka mahafaty ianao,
haringako noho ny fahotanao ianao.
14Hihinana ianao, nefa tsy ho voky,
ary ho ao anatinao ny hanoanana;
hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona,
ary na izay voavonjinao aza, hatolotrao ny sabatra.
15Hamafy ianao, fa tsy hijinja;
hamia ôliva ianao, fa tsy hihosotra diloilo;
hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay.
Atao ohatra i Samaria16Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona,
mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra,
ary mandeha araka ny toroheviny ianareo,
mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana,
ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana,
ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.