Levitika 22 - Malagasy Catholic Bible

Madio vao mandray anjara amin’ny soronaA. Ny mpisorona

1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho Ahy sy tsy hanamavoany ny Anarako masina. Izaho no Iaveh.

3Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh.

4Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,

5izay nikasika biby mandady nahaloto azy, na olona maloto namindra fahalotoana taminy, na fahalotoana inona na fahalotoana inona,

6haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin’ny rano izy,

7ka hadio, rehefa maty ny masoandro, dia hahazo mihinana ny zava-masina, fa fihinany izany.

8Tsy hihinana biby maty ho azy na voaviravira izy mba tsy ho voaloton’izany. Izaho no Iaveh.

9Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»

B. Ny olona tsotra

10«Tsy hisy olon-kafa hihinana zava-masina, na ny mipetraka ao amin’ny mpisorona, na ny mpikarama, dia samy tsy hihinana ny zava-masina.

11Mahazo mihinana ihany anefa, izay mpanompon’ny mpisorona novidiny vola, toy izany koa izay teraka tao an-tranony; azon’ireny hanina izay fihinany.

12Tsy hihinana ny navahana tamin’ny zava-masina ny zanaka vavin’ny mpisorona, nanambady olon-kafa.

13Fa raha maty vady na voasaotra tsy mbola niteraka, ny zanaka vavin’ny mpisorona, ka mody any an-tranon-drainy, toy ny fony mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy; fa ny olon-kafa tsy hihinana izany.

14Raha misy olona nihinana tsy nahy tamin’ny zava-masina, dia honerany amin’ny mpisorona ny zava-masina, ka hotongoavany ny ampahadiminy.

15Aoka ny mpisorona tsy hametaveta ny zava-masin’ny zanak’i Israely, izay natokany ho an’i Iaveh,

16sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin’ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»

D. Ny biby atao sorona

17Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

18«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mbamin’ny zanak’i Israely rehetra, ka lazao aminy hoe: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny eo amin’i Israely manatitra ny fanatiny, na ho fanalam-boady, na ho fanomezana an-tsitrapo, ka hateriny amin’i Iaveh ho sorona dorana,

19dia aoka ho lahy tsy manan-kilema no hatao sorona, na omby izany, na ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.

20Aza manatitra izay manan-kilema fa tsy hankasitrahina izany.

21Raha misy olona manatitra biby fiompy vaventy na madinika amin’i Iaveh, hatao sorom-pihavanana, na ho fanalam-boady izany, na ho fanomezana an-tsitrapo, dia tsy maintsy ho tsara mihitsy ny hatao sorona mba hankasitrahana azy, tsy tokony hanan-kilema akory izy.

22Izay biby jamba, na mandringa, na tapaka, na ferena, na hatenina, na tsingoahina, dia tsy haterinareo ho an’i Iaveh, tsy hanaovanareo sorona amin’ny afo eo ambonin’ny ôtely, ho an’i Iaveh.

23Raha hatao fanatitra an-tsitrapo, dia azo vonoina ihany ny omby na ondry, diso lava na fohy rantsan-tanana; fa raha fanalam-boady, tsy ankasitrahina ny sorona toy izany.

24Aza aterinareo ho an’i Iaveh izay biby voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ny vihiny; aza manao izany amin’ny taninareo.

25Rehefa mety ho sorona toy ireny, dia aza raisinareo haterina ho fàhan’ny Andriamanitrareo ireny, na dia avy eo an-tanan’ny olon-kafa firenena aza, fa efa simba ireny fa manan-kilema, ka tsy hahazoanareo sitraka.»

26Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

27«Na omby, na ondry, na osy, raha vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy, fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra, vao hankasitrahina ny hanaterana azy ho sorona hatao amin’ny afo amin’i Iaveh.

28Aza atao indray mamono amin’ny indray andro ny biby sy ny zanany, na omby izany, na ondry.

29Raha manatitra sorom-pisaorana amin’i Iaveh ianareo, dia atolory araka izay ankasitrahana azy.

30Izay andro amonoana azy ihany no ihinanana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Izaho no Iaveh.»

E. Famporisihana farany(Jereo Lev 18,3-5)

31«Tandremo ny didiko, ka araho izany. Izaho no Iaveh.

32Aza manevateva ny Anarako masina, fa hohamasinina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho. Izaho no Iaveh manamasina anareo,

33sy namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help