Salamo 14 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 14 (Volgata 13)(Jereo Sal 53)Ny olona tsy miaraka amin’Andriamanitra

1Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!»

Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony;

Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

2I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny,

mba hahita raha misy olon-kendry anankiray,

olona iray mitady an’Andriamanitra.

3Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa;

tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

4Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy?

Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina;

tsy miantso an’i Iaveh izy ireo.

5Ho tera-kovitra tampoka azon’ny fivadiham-po izy,

fa eo afovoan’ny taranaka marina Andriamanitra.

6Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain’ny ory.

Nefa Andriamanitra no arony.

7Endrey! Hivoaka avy any Siôna anie ny famonjena an’i Israely.

Rehefa hampodin’i Iaveh ireo nentiko babo amin’ny vahoakany,

dia ho faly i Jakôba ary ho ravo i Israely!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help