Salamo 59 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 59 (Volgata 58)Lanio harena ny ratsy fanahy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida. Fony i Saola naniraka hiambina ny tranony , hamonoany azy.

2Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô,

arovy tsy ho azon’ireo mpanohitra ahy aho!

3Afaho amin-dry zareo mpanao ratsy aho,

ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mpandatsa-dra.

4Fa indro izy manotrika hanala ny aiko;

olona mpanao an-keriny no miray tetika hamely ahy;

na dia tsy meloka aza aho, na dia tsy nanota aza aho, ry Iaveh,

5na dia manan-tsiny aza aho, dia mirohotra hanotrika izy ireo.

Mifohaza, avia hitsena ahy, sy hijery.

6Ianao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely,

mitsangàna Ianao, hamay ny firenena rehetra,

ka tsy ananana antra akory ireny mpamadika sy mpanao ratsy!

- Selà

7Miverina izy ny hariva dia manerona toy ny amboa

mandeha manodidina ny tanàna.

8Fanalikàna no mibasasaka avy ao am-bavany;

sabatra no eo amin’ny molony:

Iza moa no handre? hoy izy.

9Fa Ianao kosa, ry Iaveh, mihomehy azy ireo,

mananihany ny firenena rehetra.

10Ry Heriko ô, dia hitodika any aminao aho,

fa Andriamanitra no trano mimandako.

11Ho avy mialoha ahy ilay Andriamanitra manambina ahy,

hampibanjina ahy ny fahavaloko Izy.

12Aza vonoina ireny, fandrao hadinon’ny vahoakako,

fa ampirenireneo amin’ny herinao izy, dia haongano,

ry Tompo, ampinganay!

13Manota ny vavany, isaky ny miteny ny molony;

aoka ho voasingotry ny reharehany ny tenany,

noho ny ozona aman-dainga tononiny!

14Aringano amin’ny hatezeranao izy, aringano tsy ho eo intsony ireny.

Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakôba

hatrany amin’ny faran’ny tany.

- Selà

15Miverina izy ny hariva, dia mierona toy ny amboa

mandeha manodidina ny tanàna.

16Mirenireny atsỳ arỳ, mitady ny rembiny,

mitrontròna izy raha tsy voky.

17Fa izaho kosa hihira ny herinao,

ary hankalaza ny hatsaram-ponao, nony maraina;

satria Trano mimandako Ianao,

sy Fialofako amin’ny andro fahoriako.

18Ry Heriko ô, hihira ho an’ny voninahitrao aho,

fa Trano mimandako Andriamanitra,

ilay Andriamanitra manambina ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help