1Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.
1. FIAMPANGANA AN’I ISRAELYFandrahonana sy fanamelohanaFitsarana an’i Samaria2Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra!
Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin’izay rehetra monina eo aminao!
Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh,
dia ny Tompo avy ao amin’ny lapan’ny fahamasinany!
3Fa indro i Iaveh efa hivoaka avy ao amin’ny fonenany;
hidina izy handia ny havoana amin’ny tany.
4Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin’ny diany,
ny lohasaha hitresaka
toy ny savoka eo anoloan’ny afo,
toy ny rano voarotsaka amin’ny tany misolampy.
5Ny hisian’izany dia noho ny helok’i Jakôba
sy noho ny fahotan’ny taranak’i Israely.
Inona no helok’i Jakôba? Tsy i Samaria va?
Ary iza no fitoerana avon’i Jodà?
Tsy i Jerosalema va?
6Koa i Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha,
tany fambolena voaloboka;
hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony,
ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.
7Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy;
ho levon’ny afo ny tambiny rehetra;
hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny
fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny,
ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
Hiran’alahelo an’ireo tanàna amin’ny ilany ambany8Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra,
handeha tsy mitafy sy miboridana;
handefa finaonaonana toy ny amboadia,
ary fitarainana toy ny ostritsa.
9Fa fery mahafaty ny azy,
fa tonga hatrany amin’i Jodà,
tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako
dia hatrany Jerosalema. izy.
10Aza ambaranareo any Geta izany;
aza mitomany any Akao ianareo!
Mihosinkosina amin’ny vovoka any Bet-Afrà aho.
11Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry ikala mponina ao Safira!
Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna;
ny fisaonan’ny ao Bet-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo.
12Ory ikala mponina ao Marôty,
noho ny amin’ny fananany;
fa nidina avy tany amin’i Iaveh ny loza,
ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.
13Afehezo amin’ny kalesy ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa;
fiandohan’ny fahotana ho an’ny zanaka vavin’i Siôna,
no nahitana ny helok’i Israely ao aminao.
14Noho izany ianao hamoy ny anananao an’i Môreseta ao Geta;
ny trano ao Akziba dia ho fanodokàna ho an’ny mpanjakan’i Israely.
15Hitondrako mpandresy ianao,
ry ikala mponina ao Maresà;
ho lasana hatrany Odolama ny tabihan’i Israely.
16Ongoty ny volonao, kakaso izy,
noho ny amin’ireo zanakao malalanao;
ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao
fa lasan-ko babo lavitra anao ireny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.