Jôba 12 - Malagasy Catholic Bible

Ny fahendren’Andriamanitra miseho indrindra amin’ny fandravana ataon’ny heriny.

1Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2«Marina tokoa fa ianareo ihany dia sahala

fahendrena amim-bahoaka be,

ka dia hiara-maty aminareo ny fahendrena!

3Izaho koa anefa mba manan-tsiny toa anareo,

tsy latsaka noho ianareo na amin’inona na amin’inona.

Ary iza moa no tsy mahalala izay zavatra lazainareo?

4Fananihànin’ny sakaizako aho,

izaho izay miantso an’Andriamanitra,

ka nohenoin’Andriamanitra.

Fananihàniny aho, ilay marina, ilay tsy manan-tsiny!

5ny olona ory, fandatsa! Izany no teny arahin’ny miadana;

ary eso no miandry an’izay mangozohozo.

6Ny lain’ny jiolahy anefa, anjakan’ny fiadanana;

ny mihaika an’Andriamanitra, no mandry feizay;

dia ireo tsy manana andriamanitra, afa-tsy ny sandriny ihany.

7Kanefa, masìna ianao, mba fotory ny biby,

fa hampianatra anao izy;

hatramin’ny voromanidina, fa hanoro anao izany izy.

8Na mitenena amin’ny tany fa hampahalala anao izy;

hatramin’ny hazandrano any an-dranomasina aza,

dia hitantara izany aminao.

9Satria iza moa amin’ireo rehetra ireo no tsy mahalala,

fa ny tanan’i Iaveh no mahavita ireo zavatra ireo,

10ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra,

mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?

11Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny,

ary tsy ny vava no manandrana ny hanina?

12Ny fotsy volo no manam-pahendrena,

ary ny andro lava no mahavokatra fahamalinana.

13Ao amin’Andriamanitra no onenan’ny fahendrena amam-pahefana,

ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.

14Indro manjera Izy, ka tsy misy manorina indray,

manidy ny olona aman-trano, ka tsy misy mamoha.

15Indro tazoniny ny rano, dia ritra;

alefany indray, dia manakorontana ny tany.

16Azy ny faherezana amam-pahamalinana,

Azy ny maniasia sy ny mampaniasia.

17Entiny mifatotra ny mpanome saina ny vahoaka,

ary esoriny amin’ny mpitsara ny fahatsiloan-tsainy.

18Vahàny ny fehikibon’ny mpanjaka,

dia feheziny tady ny valahany.

19Tarihiny ho any am-pahababoana ny mpisorona,

ary aongany ny manam-pahefana,

20ataony tsy manan-kalahatra izay olona mahay indrindra,

ary endahany fisainana ny anti-panahy.

21Latsahany fanamavoana ny andriandahy;

ary ketrahiny fehikibo ny matanjaka.

22Alàny sarona ny zava-miafina amin’ny haizina

ary asehony eo amin’ny mazava ny aloky ny fahafatesana.

23Ampitomboiny ny firenena, dia ravàny koa;

itariny izy, dia etèny indray.

24Ny saina esoriny amin’ny mpanapaka ny firenen’ny tany,

dia ampaniasiaviny any an’efitra tsy misy lalana izy ireo,

25dia miraparapa amina haizina lavitra ny mazava ireny,

ary avembenany toy ny olona mamo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help