Jôba 23 - Malagasy Catholic Bible

Lavitra Andriamanitra, ka ny ratsy no mandresy.

1Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2«Eny mangidy anio ny fitarainako,

nefa mbola tampenan’ny tanako aza ny fitolokoko.

3Ah, raha mba misy mantsy hampahafantatra ahy izay hahitako Azy,

sy hahatongavako hatrany amin’ny seza fiandrianany!

4Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy,

ary hofenoiko teny fahamarinana ny vavako!

5Ho fantatro izay hevitra mety hoentiny hanohitra ahy,

ary ho hitako izay mba mety holazainy amiko.

6Ny haben’ny fahefany ve no hoentiny mandà ahy?

Tsy ho sitrany ve ny manipy maso amiko ahay?

7Amin’izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina,

ka dia handeha aho efa voavelan’ny mpitsara ahy ho afa-mandrakizay.

8Kanjo miantsinanana aho, tsy any Izy,

miankandrefana indray, tsy tazako Izy.

9Manan-draharaha any avaratra Izy, tsy hitako,

miafina any atsimo, tsy haiko tsinjovina.

10Fantany anefa ny lalana falehako;

raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.

11Fa nandia ny dian-tongony mandrakariva ny tongotro;

nizotra tsy nivily teo amin’ny lalany aho.

12Tsy nivily niala teo amin’ny didin’ny vavany aho,

ary ny sitrapoko nofolahiko nampanekeko ny didin’ny molony.

13Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay?

Izay iriny tanterahiny avokoa.

14Hotanterahiny àry izay efa notendreny ho ahy;

ary tsy vitsy ny hevitra toy izany ao aminy.

15Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany;

rehefa mihevitra izany aho, dia matahotra Azy.

16Mandreraka ny foko Andriamanitra;

mameno tahotra ahy ny Tsitoha.

17Fa tsy mba haizina no mihinana ahy,

na ny alina no manarona ny tavako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help