Tito 1 - Malagasy Catholic Bible

Fiarahabana

1Izaho Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,

2noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,

3fa tamin’ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika:

4dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika; ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Fametrahana an’ireo Pretra

5Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:

6dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.

7Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;

8fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena,

9mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.

Fanoherana an’ireo mpampianatra sandoka

10Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,

11ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.

12Hoy ny anankiray tamin’izy ireny, izay ataony ho mpaminaniny: «Ny olona any Kreta dia fandainga lalandava, biby masiaka, kamo be tenda.»

13Filazana marina izany. Ka asio mafy izy ireo mba ho marim-pinoana,

14sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.

15Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany.

16Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help