1Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso hanompo Ahy ny vahoakako.
2Fa raha mandà tsy handefa azy ianao sy mbola mitana azy ihany,
3dia indro ny tanan’i Iaveh hamely ny biby fiompinao izay any an-tsaha, na soavaly, na ampondra, na rameva, na omby aman’ondry, dia areti-mifindra mandripaka tokoa.
4Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.
5Noferan’i Iaveh ny fotoana nataony hoe: Rahampitso no hanaovan’i Iaveh izany amin’ny tany.»
6Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.
7Nampamototra i Faraôna ka tsy nisy maty tokoa ny bibin’ny zanak’i Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.
6. Ny vay8Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Mandraofa ianareo lavenona eran’ny tananareo, eo amin’ny lafaoro lehibe, dia hataon’i Môizy savoan-danitra eo imason’i Faraôna izany,
9fa hitora-jofo eran’i Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vay amin’ny olona sy ny biby eran’ny tany Ejipta.»
10Koa nandraoka lavenona tao amin’ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan’i Faraôna, ary nataon’i Môizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin’ny olona sy ny biby.
11Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.
12Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy.
13Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ianao ka tongava any amin’i Faraôna, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso handeha hanompo Ahy ny vahoakako.
14Fa amin’izao Aho vao handefa ny loza rehetra hampahory ny fonao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin’ny tany rehetra.
15Raha izay Aho no efa naninjitra ny tanako namely anao tamin’ny pesta, ianao sy ny vahoakanao, dia efa fongotra amin’ny tany ianao toy izay.
16Fa ny antony namelako anao haharitra toy izay, dia ny mba hahitanao ny fahefako, ary mba hanehoehoan’ny Anarako amin’ny tany rehetra.
17Ka indro ianao mbola mitsivalan-kisakana ny vahoakako fa tsy mandefa azy.
18Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be Aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an’i Ejipta, ka mandrak’ankehitriny.
19Ary izao dia asaovy hampidirina izay biby amam-panananao rehetra any an-tsaha; fa izay olona na biby rehetra tavela any an-tsaha fa tsy tafiditra tao an-trano dia hasian’ny havandra ka ho ringana.»
20Ka izay natahotra ny tenin’i Iaveh, teo amin’ny mpanompon’i Faraôna, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin’ny bibiny.
21Fa izay tsy nandinika tao am-pony ny tenin’i Iaveh kosa, namela ny mpanompony mbamin’ny bibiny tany an-tsaha.
22Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hilatsahan’ny havandra eran’ny tany Ejipta rehetra, amin’ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.»
23Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan’i Iaveh ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin’ny tany ny afo. Ary i Iaveh nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.
24Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin’ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy.
25Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.
26Tsy nisy afa-tsy ny tany Genesa, izay nisy ny zanak’i Israely ihany, no tsy nilatsahan’ny havandra.
27Nampiantso an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: «Nanota aho tamin’ity indray maka ity; i Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28Mangataha re amin’i Iaveh mba hitsahatra ny kotrok’orana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa.»
29Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.
30Fantatro anefa fa mbola tsy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitra akory ianao sy ny mpanomponao.»
31Ny rongony sy ny orja no levona; fa ny orja moa efa niteraka, ny rongony efa namony.
32Ny varimbazaha sy ny épeautre anefa tsy naninona; afafy aoriana ireo.
33Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.
34Fa i Faraôna kosa rehefa nahita fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrok’orana, dia mbola nanohy ny fahotany indray.
35Nihadonto ny fon’izy sy ny mpanompony. Nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny zanak’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.