Ezekiela 4 - Malagasy Catholic Bible

Nambara fa hatao fahirano i Jerosalema

1Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky anankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin’i Jerosalema.

2Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy; ary ametraho lohondry vy manodidina azy.

3Ary ianao makà lapoaly vy; ataovy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy, Aoka ho famantarana ho an’ny taranak’i Israely izany.

4Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak’i Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok’izy ireo.

5Ary araka ny isan’ny andro no nanisako ny taonan’ny helok’izy ireo ho anao; ka dia 390 andro no hitondranao ny heloky ny taranak’i Israely.

6Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak’i Jodà kosa ianao, 40 andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao.

7Dia hitodika hanandrina an’i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy ianao.

8Ary indro, efa nopetahako tady ianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao.

9Makà frômenta, orja, kalamaka, voamena, ampemby ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao, 390 andro no hihinananao azy.

10Ary 20 sikla no lanjan’ny hanin-kohaninao amin’ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy.

11Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina, asio elanelany ny fisotro azy.

12Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason’izy ireo.

13Dia hoy i Iaveh tamiko: «Toy izany no hihinanan’ny zanak’i Israely ny mofony voaloto, any amin’ny firenena handroahako azy.»

14Ka hoy aho: «Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin’ny fahatanorako ka mandraka ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena voaloto.»

15Dia hoy Izy tamiko: «Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin’izany no hanendasanao ny mofonao.»

16Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, indro hotapahiko ny tehina mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan’izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano.

17Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help