Jeremia 16 - Malagasy Catholic Bible

Atao famantarana, ny fiainan’ny mpaminany

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2«Aoka ianao tsy haka vady,

ary tsy hanana zanaka lahy na zanaka vavy,

amin’ity tany ity.»

3Fa izao no tenin’i Iaveh:

«Ny amin’ny zanaka lahy aman-janaka vavy,

teraka amin’ity tany ity;

ny amin’ny reny miteraka azy,

sy ny amin’ny rainy miteraka azy,

amin’ity tany ity:

4Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty;

tsy hitomaniana na halevina,

ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany.

Ho fatin’ny sabatra ama-mosary;

ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina

amam-bibin’ny tany.»

5Satria izao no lazain’i Iaveh:

«Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana,

aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin’izy ireo;

fa ny fiadanako dia efa noesoriko

tamin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, -

noesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantràko.

6Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa,

nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy;

tsy hisy hiteti-tena

na hibory noho ny aminy ny olona.

7Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin’ny fisaonana,

ho fampiononana azy raha mana-maty;

ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana

noho ny amin’ny ray na ny reny.

8Aza mankeny amin’ny trano fanasana ianao,

mba hiara-mipetraka aminy,

hihinana sy hisotro.

9Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro hatsahatro amin’ity tany ity,

eo imasonareo sy amin’ny andronareo,

ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana,

ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.

10Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity,

ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe:

‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha

izany lozabe rehetra izany?

Inona no helokay, ary inona no fahotanay,

izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›

11Dia izao no holazainao azy:

Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy,

- teny marin’i Iaveh; -

sy andriamani-kafa no narahin’ireny,

notompoiny, nivavahany;

fa Izaho nilaozany,

ny lalàko tsy notandremany.

12Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza;

ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo,

mba tsy hihaino Ahy.

13Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo;

ho any amin’ny tany tsy fantatrareo,

na ianareo na ny razanareo;

ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa

andro aman’alina;

fa tsy hamindra fo aminareo Aho.

Fiverenan’ireo vahoaka Israely tafaely(Jereo Jer 23,7-8)

14Noho izany indro avy ny andro,

- teny marin’i Iaveh, -

izay tsy hanaovana itsony hoe: Velona i Iaveh!

izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra

avy any amin’ny tany Ejipta;

15fa hoe kosa: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely hiakatra

avy any amin’ny tany avaratra,

sy avy any amin’ny tany rehetra nandroahany azy.

Fa hampodiko amin’ny tany

efa nomeko ny razany izy.

Ambara ny fanafihana

16Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany,

- teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy.

Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho,

ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra

ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.

17Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko,

ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany;

ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.

18Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka

ny heloka amam-pahotany;

satria izy ireo nandoto ny taniko,

ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany

no namenoany ny lovako.»

Ny hibebahan’ny hafa firenena

19Ry Iaveh, heriko ama-mandako,

sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana,

ho tonga aminao ny firenena maro,

avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe:

Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga,

sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!

20Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an’ny tenany?

Tsy Andriamanitra akory anefa izany!

21Koa indro hampahafantariko azy ireo

amin’ity indray maka ity,

hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko

dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help