1Makabeo 10 - Malagasy Catholic Bible

Ny teti-pihavanana nataon’i Aleksandra Balasa - Ny nanendreny an’i Jônatasy ho mpisorom-be

1Tamin’ny taona faha-160, niainga hanafika i Aleksandra, ilay zanak’i Antiôkosy, sy natao hoe Epifana, ka nahazo an’i Ptôlemaisa; noraisin’ny mponina izy, dia tonga mpanjaka.

2Nony ren’i Demetriosa mpanjaka izany, namory tafika lehibe dia lehibe izy, dia nandroso hamely an’io.

3Niaraka tamin’izany, nandefa taratasy misy tenim-pihavanana i Demetriosa ho any amin’i Jônatasy, sady nampanantena hanandratra azy amin’ny voninahitra.

4«Manaova fanekem-pihavanana aminy faingana isika, hoy izy, alohan’ny hanaovany amin’i Aleksandra, hanohitra antsika.

5Fa hotsarovany ny ratsy rehetra nataontsika taminy sy tamin’ny rahalahiny ary tamin’ny fireneny.»

6Nomeny fahefana izy haka miaramila, hanao fiadiana, hilaza azy ho mpihavana aminy, ary nodidiany haverina aminy ny olona voatana ho antoka tao amin’ny trano mimanda.

7Nankany Jerosalema niaraka tamin’izay i Jônatasy, namaky ity taratasy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, sy teo anatrehan’izay tao amin’ny trano mimanda.

8Raiki-tahotra mafy izy ireo, nandre fa hoe: nomen’ny mpanjaka fahefana hamonona tafika i Jônatasy.

9Natolotr’ireo tao amin’ny trano mimanda an’i Jônatasy ny antoka, dia natolotr’io amin’ny fianakaviany kosa izy ireo.

10Niorim-ponenana tao Jerosalema i Jônatasy dia nanomboka namboatra sy nanavao ny tanàna.

11Nandidy ny mpiasa izy handrafitra ny manda indray, sy hanisy vato efa-joro manodidina ny tendrombohitra Siôna hanamafy azy. Notanterahina izany didy izany.

12Nitsoaka tamin’izay ireo hafa firenena, izay tao amin’ny tanàna mimanda nataon’i Bakidesa,

13samy nandao ny fonenany avy izy ireo, ka nody any amin’ny taniny avy.

14Ny sasantsasany foana tamin’ireo nahafoy ny didy aman-dalàna no nijanona tao Betsora, izay tonga fialofany.

15I Aleksandra mpanjaka kosa, tamin’izany, dia nahare ny zavatra natolotr’i Demetriosa an’i Jônatasy; notantarain’ny olona taminy koa ny ady nataony, ny herim-po nafitsok’izy mbamin’ireo rahalahiny ary ny loza niaretany; ka hoy izy:

16«Hahita lehilahy toy izany indray va isika? Ka ndeha ataovintsika tonga sakaiza sy mpihavana amintsika izy.»

17Dia nanoratra taratasy toy izao izy, nalefany ho any aminy:

18«I Aleksandra mpanjaka, miarahaba an’i Jônatasy rahalahiny.

19Nahare ny aminao izahay, fa hoe ianao dia lehilahy manam-pahefana sady vonon-kihavana aminay.

20Noho izany, dia manendry anao izahay anio, ho mpisorona lehibe amin’ny firenena sy manome anao ny anaram-boninahitra hoe sakaizan’ny mpanjaka; - niaraka tamin’izany nampitondra akanjo jaky sy satroboninahitra volamena ho azy izy; - koa aoka hiray hevitra aminay amin’ny raharahanay sy haharitra amin’ny fihavanana aminay.»

21Dia niakanjo ny fanamiana masina i Jônatasy tamin’ny volana fahafiton’ny taona faha-160, tamin’ny fetin’ny Tabernakla, ary namonona tafika izy, sady nanao fiadiana betsaka.

Taratasin’i Demetriosa voalohany ho an’i Jônatasy

22Nalahelo mafy i Demetriosa nony nandre izany zavatra izany.

23Hoy izy: «Naninona ity isika no i Aleksandra indray no nialoha antsika nahazo fihavanana tamin’ny Jody, hanamafìsany ny fahefany?

24Izaho koa mba handefa teny hitaona azy, sy hanolotra voninahitra ambony amam-panomezana ho azy, mba ho tonga mpanampy ahy izy.»

25Dia nandefa taratasy toy izao ho any aminy izy: «I Demetriosa mpanjaka miarahaba ny firenena Jody.

26Notananareo tsara ny fanekena natao taminay, tohizinareo ny fihavanana aminay, ary tsy mikambana amin’ny fahavalonay ianareo; nandre izany izahay ka faly noho izany.

27Ary amin’izao, dia mahareta miraiki-po aminay fa hovalianay soa izay ataonareo ho anay.

28Homenay fanafahana sy tombon-tsoa betsaka ianareo.

29Hatramin’izao ankehitriny izao afahako ianareo, ary ny Jody rehetra dia alako tsy handoa hetra na haban-tsira amam-pehiloha fanome ny mpanjaka;

30ny ampahatelon’ny vokatry ny tany, sy ny antsasaky ny vokatry ny hazo mamoa, izay anjarako, dia afoiko ho anareo, izao mason’andro anio izao; ary amin’izao sisa izao, na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fotoana inona, dia tsy mampandoa na inona na inona intsony aho, na amin’ny tanin’i Jodà, na amin’ny faritany telo any Samaria sy Galilea izay voakambana aminy.

31Tiako ho tanàna masina sy afaka i Jerosalema mbamin’ny faritaniny, ny fahafolon-karenany sy ny zavatra tsy maintsy aloany.

32Afoiko koa ny fahefako amin’ny trano mimanda ao Jerosalema, ka omeko ny mpisorona lehibe, hametrahany izay olona hofidiny hiambina azy.

33Ny Jody rehetra nentin-ko babo avy amin’ny tanin’i Jodà ho any amin’ny fanjakako manontolo, dia alefako ho afaka tsy mandoa avotra; sitrako ny hahafoizan’ny olon-drehetra ho azy ny hetra na dia ny amin’ny biby aza.

34Ny fety lehibe rehetra, ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny andro voatendry, ny hateloana mialoha na manaraka ny fety lehibe, dia ho andro fanafahana amam-pahafahana ho an’ny Jody rehetra eto amin’ny fanjakako.

35Ka tsy misy mahazo manenjika ny iray amin’izy ireo, na mitory azy amin’ny fitsarana, na inona na inona raharaha.

36Hisy Jody hatramin’ny 30.000, halatsaka amin’ny tafiky ny mpanjaka, ka homena karama, toraky ny miaramila rehetra karamain’ny mpanjaka. Hapetraka ao amin’ny tanàna mimanda lehibe, an’ny mpanjaka, ny sasany amin’izy ireo;

37ary maro no horaisina amin’ny raharaham-panjakana ilàna olo-mahatoky; fanampin’izany, izy miaramila iray laharana eo ihany no hangalana ny lehibe hifehy azy, sady samy hanao toe-piainana araka ny lalàny izy, araka ny efa nandidian’ny mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.

38Ny faritany telo amin’i Samaria nakambana amin’i Jodea dia hakambana sy hisaina ho iray aminy, ka tsy hanaiky fahefana hafa afa-tsy ny an’ny mpisorona lehibe.

39Ary i Ptôlemaisa mbamin’ny faritaniny dia homeko ho an’ny fitoerana masina ao Jerosalema, hiantohana ny lany amin’ny fombam-pivavahana atao ao.

40Ary izaho koa manome volafotsy 15.000 sikla, isan-taona, alaina amin’ny volam-panjakana amin’izay tanàna mety.

41Ny ambiny rehetra tsy naloan’ny mpamory sahala amin’ny taona taloha, dia haloany amin’ny ho avy hanaovana ny fanompoana amin’ny tempoly.

42Fanampin’izany, ny volafotsy 5.000 sikla nesorin’ny lehibe isan-taona tamin’izay nilaina ao amin’ny fitoerana masina, ka nalainy tamin’ny vola voatendry ho azy, dia hafoy ho azy, fa an’ny mpisorona manao ny fanompoana ao izany.

43Na iza na iza nialoka tao amin’ny fitoerana masina ao Jerosalema na tao anatin’ny mandany manodidina, mbola ananan’ny fanjakana hetra na ananan’olona trosa hafa, dia afaka izy miaraka amin’ny fananany rehetra, eto amin’ny fanjakako.

44Ny lany amin’ny fanaovana na fanamboarana ny fitoerana masina koa, dia halaina amin’izay miditra ho an’ny mpanjaka.

45Fanampin’izany, ny lany amin’ny fanaovana ny mandan’i Jerosalema sy fanamafisana ny manodidina azy koa, halaina amin’izay miditra ho an’ny mpanjaka; torak’izany koa ny fananganana ny mandan’i Jodea.»

Nolavin’i Jônatasy ny hihavana amin’i Demetriosa

46Nony nandre ireo teny ireo i Jônatasy sy ny vahoaka dia tsy nino izany sady tsy nety nanaiky izany; satria tsaroany ny loza lehibe nafitsok’i Demetriosa tamin’i Israely sy ny voina nampiaviany taminy.

47Ka dia tapa-kevitra izy ireo fa homba an’i Aleksandra, ka ny fanekem-pihavanana avy aminy no tsaratsara kokoa teo imason’izy ireo, ka dia nijanona ho mpikambana aminy mandrakariva izy.

48Namory tafika lehibe i Aleksandra mpanjaka, ka nandroso hamely an’i Demetriosa.

49Dia rafitra ny adin’ireto mpanjaka roa lahy, ka vaky nandositra ny tafik’i Demetriosa ka nenjehin’i Aleksandra;

50fa resiny sady niadiany tamin-kerim-po mandra-pahafatin’ny masoandro, ary maty androtr’izay koa i Demetriosa.

Ny nanambadian’i Aleksandra an’i Kleopatra. I Jônatasy nataony jeneraly sy governoram-paritany

51Nandefa ambasadaoro ho any amin’i Ptôlemea mpanjakan’i Ejipta i Aleksandra, nohafarany hilaza aminy hoe:

52«Tafiditra eto amin’ny fanjakako aho, ary tafapetraka amin’ny seza fiandrianan’ny razako; nahazo ny fanjakana indray aho tamin’ny nandreseko an’i Demetriosa, ary mahazo mahazaka ny taninay.

53Nandrafitra ady taminy aho, dia naharesy azy, izy sy ny tafiny; ka tafasandratra eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

54Ary ankehitriny aoka hihavana isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho, ary hanome anao sy azy izay fanatitra mendrika anao.»

55Izao no navalin’i Ptôlemea mpanjaka: «Sambatra ny andro nidiranao ho eo amin’ny tanindrazanao, sy nipetrahanao eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany!

56Ary ny amin’ny zavatra nosoratanao, dia hotanterahiko!

Ary amin’izao dia hataoko ho anao izay nosoratanao, fa tongava hitsena ahy any Ptôlemaisa, mba hifankahita tava isika, dia hataoko vinantoko ianao, araka ny faniriana voalazanao.»

57Koa niala tany Ejipta i Ptôlemea sy i Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptôlemaisa tamin’ny taona faha-162.

58Tonga nitsena azy i Aleksandra mpanjaka, dia nomeny ho vadin’io i Kleopatra zanany vavy, ka tao Ptôlemaisa no natao malaza sy manetriketrika araka ny fanaon’ny mpanjaka ny fampakarana.

59Nanoratra taratasy tany amin’i Jônatasy koa i Aleksandra mpanjaka, niantso azy hihaona aminy.

60Dia nankany Ptôlemaisa tamim-boninahitra lehibe i Jônatasy, ka nihaona tamin’ireo mpanjaka roa lahy tao, volafotsy sy volamena ary fanatitra betsaka no natolony azy ireo sy ny tandapany, ka nahazo sitraka tamin’izy ireo.

61Nikambana hamely azy tamin’izay ny olona ratsy fanahy sasany tamin’i Israely, olona mpankahala fivavahana niampanga azy; fa tsy nohenoin’ny mpanjaka.

62Vao mainka nasain’ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin’i Jônatasy, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy. Nony tanteraka izany didy izany, dia nasain’ny mpanjaka nipetraka teo anilany izy,

63ary hoy izy tamin’ireo lehiben’ny tandapany: «Mandehana ianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan’ny tanàna, ka lazao ampahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin’inona na amin’inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony.»

64Nony nahita azy nomem-boninahitra ampahibemaso sy nampitafina jaky, ireo mpiampanga azy, dia nitsoaka avokoa izy rehetra.

65Mbola nampian’ny mpanjaka indray aza izany voninahitra izany, fa nosoratany ho isan’ireo filohany amin’ny sakaizany izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany.

66Dia niverina ho any Jerosalema tamim-piadanana amam-piravoravoana i Jônatasy.

I Demetriosa faha-2. I Apôlôniosy governoran’i Sele-Siria resin’i Jônatasy

67Tamin’ny taona faha-165, tonga tao amin’ny tanindrazany avy any Kreta, i Demetriosa zanak’i Demetriosa.

68Nankararirary an’i Aleksandra mpanjaka loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiôkia izy.

69I Apôlôniosy governora tao Sele-Siria no nalain’i Demetriosa ho jeneraly ary namory tafika lehibe ilay io, ka tonga nitoby teo akaikin’i Jamnià. Teo izy naniraka tany amin’i Jônatasy, mpisorona lehibe, hilaza hoe:

70«Ianao dia ianao irery izao no mitsangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandàtsan’ny olona aho, noho ny aminao. Ahoana no dia ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao?

71Koa ankehitriny, raha matoky ny herinao tokoa ianao, midìna ho etỳ aminay atỳ amin’ny tany lemaka dia hifanao eo isika, fa momba ahy ny tanàna mafy amin’ny morontsiraka.

72Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin’ireo manampy ahy, iza aho, iza ireo. Fa milaza izy ireo, fa tsy hahajanona eo anoloanay ianao, satria indroa ny razanao no vaky nandositra any amin’ny tanin’izy ireo.

73Ary izao, dia tsy ho tantinao akory ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko, sy ny tafika maro dia maro atỳ amin’ny tany lemaka, izay tsy misy vato na vatolampy, na toerana azo andosirana akory.»

74Nentin-katezerana mafy i Jônatasy, raha nandre ny tenin’i Apôlôniosy, ka nifidy miaramila 10.000, dia niala tao Jerosalema, ary i Simôna rahalahiny koa tonga nihaona taminy, hanohana azy.

75Dia lasa nitoby teo akaikin’i Jôpe izy ireo, nihidy teo anoloan’izy ireo ny tanàna, fa tao ny miaramilan’i Apôlôniosy, ka dia ny manao fahirano an’io no natombony.

76Tsiravina ny mponina, ka novohainy ny vavahady, dia lasan’i Jônatasy i Jôpe.

77Vao nilazana izany i Apôlôniosy dia nalahany hiady ny an-tsoavaly 3.000 sy ny miaramila maro;

78ka nizotra tamin’ny hitsin’i Azota, toy ny ndeha hihataka izy; ary tamin’izay indrindra ihany anefa, dia nandroso ho eo amin’ny tany lemaka, fa nana-mpitaingin-tsoavaly nankany Azota izy, ka rafitra ny adin’ny tafika roa tonta.

79Nametraka mpitaingin-tsoavaly 1.000 teo ivohony amin’ny fitoerana miafina i Apôlôniosy;

80nefa nilazana i Jônatasy fa misy otrika eo ivohony. Nanodidina ny miaramilany ireo mpitaingin-tsoavaly, ka nandefa zana-tsipìka namely ny miaramilany, hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro.

81Kanefa nahatoa azy tsara araka ny nandidian’i Jônatasy azy, ny miaramilany, fa nihareraka kosa ny soavalin’ireo mpitaingin-tsoavaly.

82Dia nampandrosoin’i Simôna tamin’izay ny miaramilany, hamely ny antoko-miaramila an-tongotra, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly, ka resiny sy vaky nandositra terỳ ny Sirianina.

83Niparitaka teo amin’ny tany lemaka ny mpitaingin-tsoavaly, ary niditra tao Azota ny mpandositra, dia nitsofoka tao Bety-Dagôna, tempolin-tsampin’izy ireo, mba hahita fialofana ao.

84Nodoran’i Jônatasy i Azota mbamin’ireo tanàna manodidina azy, nony avy namaboany; nodorany koa ny tempolin’i Dagôna mbamin’izay rehetra nialoka tao.

85Sahabo ho 8.000 no isan’ny matin-tsabatra sy levon’ny afo tamin’izay.

86Nony avy teo i Jônatasy dia tonga nitoby teo akaikin’i Askalôna, ka tonga nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao.

87Izay vao niverina ho any Jerosalema i Jônatasy mbamin’ny miaramilany, nitondra babo sarobidy.

88Nony nandre izany zava-niseho izany i Aleksandra mpanjaka, dia nomeny voninahitra vaovao indray i Jônatasy.

89Nampitondrainy jaigrafy volamena izy, tahaka izay fanome ny havan’ny mpanjaka, ary nomeny azy ho fananany i Akrôna mbamin’ny faritaniny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help