Ekleziastika 49 - Malagasy Catholic Bible

I Josiasa

1Ny fahatsiarovana an’i Josiasa dia zava-manitra,

natao tamin’ny fofona manitra indrindra,

namboarina tamin’ny fahaizan’ny mpamorona zava-manitra;

mamy toy ny tantely ny fahatsiarovana azy, amin’ny vava rehetra,

ary toy ny mozika eo amin’ny fanasana.

2Hainy ny nitarika ny vahoaka ho amin’ny fibebahana,

ary vitany ny mamoana ny fahavetavetana avy amin’ny fankahalana fivavahana.

3Nampitodika marina ny fony amin’ny Tompo izy,

ary nanamafy ny fitiavam-bavaka, tamin’ny andron’ny mpankahala fivavahana.

Ireo mpanjaka farany sy mpaminany farany

4Afa-tsy i Davida sy i Ezekiasa ary i Josiasa,

dia nanao ny ratsy avokoa ny hafa rehetra;

nahafoy ny lalàn’ny Avo Indrindra

ny mpanjakan’i Jodà, ka nizotra ho amin’ny fahaverezany.

5Satria navelany ho an’ny hafa ny fahefany,

ary ho an’ny firenen-kafa ny voninahiny.

6Nodoran’izy ireo ny tanàna voafidy ho an’ny fitoerana masina,

ary nataony lao ny kianjany,

noho ny amin’i Jeremia.

7Fa ratsy fitondra azy izy,

nefa ilay voahasina ho mpaminany hatrany an-kibon-dreniny,

mba hanongana sy handrava ary hamono,

sady hanorina sy hamboly koa.

8I Ezekiasa dia nibanjina ny fahitam-boninahitra,

izay nasehon’ny Tompo azy, tambonin’ny kalesin’ny Kerobima;

9fa nihevitra ny fahavalo,

tao anatin’ny ranonoram-baratra mananontanona izy,

ary nanisy soa an’izay nanaraka ny lala-mahitsy.

10Ny amin’ireo mpaminany 12 lahy

dia aoka ho velona indray anie ny taolany avy ao anaty fasany.

Fa nampionona an’i Jakôba izy ireo,

ary namonjy azy tamin’ny fanantenana marina.

I Zôrôbabela sy i Jôsoe

11Atao ahoana no fankalazana an’i Zôrôbabela?

Fa toy ny peratra fitomboka eo amin’ny tanana ankavanana izy.

12Torak’izany koa i Jôsoe, zanak’i Josedeka!

Fa izy roa lahy ireo tamin’ny androny nanorina ny tranon’Andriamanitra indray

ary samy nanangana ny Tempoly,

voatokana ho an’ny Tompo,

sy voatendry hanana voninahitra mandrakizay.

I Nehemia

13Lehibe koa ny fahatsiarovana an’i Nehemia,

izay nanangana indray ny mandantsika efa rava,

sy namboatra indray ny vavahadintsika mbamin’ny hidiny,

ary nanorina ny tranontsika indray.

Famintinana

14Tsy misy olona tahaka an’i Enôka teto ambany masoandro,

fa izy koa nofaohina tamin’ity tany ity.

15Tsy nisy olombelona tahaka an’i Josefa,

filohan’ny rahalahiny, tohan’ny fireneny;

ary voatahiry tamim-pitandremana ny taolam-balony.

16I Sema sy Seta koa, nankalazaina teo amin’ny olombelona;

fa i Adama no ambonin’ny zavatra rehetra tamin’ny zava-boaary.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help