Levitika 21 - Malagasy Catholic Bible

Fahamasinan’ny mpisoronaA. Ireo mpisorona

1Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe:

«Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,

2afa-tsy amin’ny havany miray ra aminy, ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny,

3ary ny anabaviny, virjiny miray trano aminy fa mbola tsy manam-bady; raha izy io no maty dia mahazo mandoto tena izy.

4Filohany amin’ny fireneny izy ka tsy handoto tena na hanamavo ny fiamboniany.

5Ny mpisorona tsy hanaratra ny lohany, tsy hanala ny sisin’ny volombavany, ary tsy hanisy tetika amin’ny tenany.

6Ho masina ho an’ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny Anaran’ny Andriamaniny, satria izy ireo dia manolotra amin’i Iaveh ny sorona dorana amin’ny afo, ny mofon’ny Andriamaniny, ho masina izy.

7Tsy hanambady vehivavy janga na efa afa-baraka izy; tsy hanambady vehivavy efa voasaotran’ny lahy, fa masina ho an’ny Andriamaniny ny mpisorona.

8Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.

9Raha zanaka vavin’ny mpisorona no manala barà-tena mijangajanga, dia manala baraka an-drainy izy, ka hodorana amin’ny afo.»

B. Ny mpisorom-be

10«Ny mpisorona lehibe izay ambonin’ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.

11Tsy hiditra am-paty izy ka tsy handoto ny tenany, na amin’ny rainy na amin’ny reniny.

12Tsy hivoaka ny fitoerana masina izy, tsy hametaveta ny fitoerana masin’ny Andriamaniny, fa fehiloha voninahitra eo aminy ny diloilo masin’ny Andriamaniny. Izaho no Iaveh.

13Izay mbola virjiny no halainy ho vady.

14Tsy haka ho vady ny efa maty vady, na ny vehivavy efa voasaotra, na ny vehivavy efa afa-baraka, na ny mpijangajanga, fa izay mbola virjiny eo amin’ny fireneny ihany, no halainy ho vady.

15Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»

D. Ny tsy azo atao mpisorona

16Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17Mitenena amin’i Aarôna ka lazao hoe:

Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin’ny taranakao hatramin’ny fara mandimby.

18Fa izay manan-kilemam-batana na iza na iza, dia tsy hanatona; na olona jamba, na mandringa, na izay nahafahana, na izay manana amby;

19na olona misy tapaka amin’ny tongony na amin’ny tanany,

20izay vokoka, na zeny, na mipentina ny masony, izay hatenina, izay anakandroana, ny torotoro vihy.

21Tsy hisy hanatona hanolotra ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ny olon-drehetra amin’ny taranak’i Aarôna mpisorona, izay manan-kilemam-batana; fa manan-kilemam-batana izy, ka aza manatona hanolotra ny mofon’ny Andriamaniny.

22Azony hanina ihany ny mofon’ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina.

23Fa tsy handroso amin’ny efitra lamba izy, tsy hanatona ny ôtely, satria manan-kilemam-batana izy; tsy handoto ny toerako masina, fa Izaho no Iaveh manamasina azy ireo.

24Dia nolazain’i Môizy izany tamin’i Aarôna sy ny zanany ary ny zanak’i Israely rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help