Eksaody 1 - Malagasy Catholic Bible

1. NY NANAFAHANA AVY ANY EJIPTA1 - I ISRAELY TANY EJIPTAFitomboan’ny Hebrio tany Ejipta

1Izao no anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin’i Jakôba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy:

2Robena, Simeôna, Levỳ, Jodà.

3Isakara, Zabolôna, Benjamina,

4Dana, Neftalì, Gada ary Asera.

5Fitopolo izy rehetra terak’i Jakôba; ary i Josefa efa tany Ejipta.

6Ary maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ireo taranaka rehetra ireo.

7Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak’i Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany.

Fampahoriana ny Hebrio.

8Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an’i Josefa, nanjaka tamin’i Ejipta.

9Hoy izy tamin’ny vahoakany: «Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak’i Israely.

10Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy dia hivoaka hiala amin’ny tany.»

11Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.

12Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.

13Nampiasain’ny Ejiptianina an-tery vozona ny zanak’i Israely,

14nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.

15Ary ny mpanjakan’i Ejipta niteny tamin’ireo mpampivelona ny Hebrio, atao hoe Seforà ny iray, ary Foà ny iray,

16ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio ianareo ka hitanareo eo amin’ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona.»

17Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy.

18Dia nampiantsoin’ny mpanjakan’i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: «Nahoana ianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy?»

19Fa hoy ny navalin’ny mpampivelona tamin’i Faraôna: «Tsy mba tahaka ny Ejiptianina anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa teraka izy.»

20Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.

21Nambinin’Andriamanitra ny fianakavian’ny mpampivelona noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.

22Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help