Ekleziastika SASINY NATAON’NY MPANDIKA TENY - Malagasy Catholic Bible

SASINY NATAON’NY MPANDIKA TENYMaro sady lavorary ny fianarana azontsika tamin’ny lalàna sy ny mpaminany ama-mpanoratra sasany nanaraka azy, izay efa nahazoan’i Israely dera ara-drariny amin’ny fahalalana amam-pahendrena. Ary satria, tsy hoe mahazo fahalalana fotsiny, izay mamaky izany, fa tonga afa-manasoa ny hafa any ivelany koa, izay mianatra izany amim-pahazotoana, ka dia voatarika hamorona boky momba ny fampianarana ny fitsipi-pitondran-tena tsara amam-pahendrena koa i Jesò, raibeko, izay efa nilozoka mafy tamin’ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany mbamin’ny bokin’ny razantsika hafa; sady efa nahazo fahaizana fatratra amin’izany izy; koa izay maniry hianatra dia hilozoka amin’ity boky ity sy handroso hatrany hatrany amin’ny toe-piainana mifanaraka amin’ny lalàna.Koa mamporisika anareo aho, hamaky azy amin-kamoram-po sy fitandremana; ary aoka mba handefitra ianareo amin’ny pejy sasany raha sendra misy teny vitsy toa tsy voadikanay tsara, na dia nataonay tamim-pitandremana tsara aza, ny fandikana azy, satria mba mihalefy ny teny hebrio, rehefa hadika ho fiteny hafa. Tsy amin’ity boky ity ihany no hahitana izany kilema izany; fa amin’ny lalàna sy ny mpaminany mbamin’ny boky masina hafa koa, dia tsy mba vitsy foana tsy akory ny hevitra tsy mitovy, raha ampitahaina ny dikany sy ny tena izy.Nankany Ejipta aho tamin’ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan’i Everjeta, ka hitako, tamin’ny nitoerako tany, fa tsy mitovy velively amin’ny antsika ny fahalalana momba ny fivavahana any. Ka dia nataoko fa ilaina indrindra ny mikarakara sy misasatra kely ihany amin’ny fandikana io boky io. Noho izany dia nandany alina betsaka ary nikely aina mafy tokoa aho, tamin’iny fotoana iny amin’io asa io, mba hahatomombana azy tsara, sy hamoaka azy mba ho an’ireo mipetraka any an-tany hafa koa, izay maniry hahazo fahaizana sady vonon-kampifanaraka ny toe-piainany amin’ny lalàn’ny Tompo.
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help