Ezekiela 37 - Malagasy Catholic Bible

Ireo taolam-paty maina

1Tonga tamiko ny tanan’i Iaveh ka nentin’i Iaveh nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin’ny tany lemaka feno taolana.

2Nentiny nandeha teo akaikin’ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon’ity tany lemaka, sady maina dia maina.

3Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Iaveh Tompo ô, Ianao no mahalala!»

4Dia hoy Izy tamiko: «Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Iaveh!

5Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo.

6Hasiako hozatra eo aminareo, hampidirako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo; ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»

7Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injay zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana.

8Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin’ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin’ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy teo aminy.

9Ary hoy izy tamiko: «Maminania amin’ny fanahy; maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazantany efatra; tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.»

10Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin’ny tongony; tafika lehibe, tena lehibe indrindra.

11Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak’i Israely rehetra. Indreo izy ireo manao hoe: ‹Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay!›

12Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.

13Ary dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa voasokatra ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.

14Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa.» - teny marin’i Iaveh.-

I Jodà sy i Israely tonga firenena iray

15Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

16Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodà sy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»

17Ampifanatony izy roa, mba ho hazo iray ihany, ka ho iray ihany izy eny an-tananao.

18Ary raha hiteny aminao ny zanaky ny firenenao, hanao hoe: «Tsy ho voasanao aminay va, izay ambaran’izany araka ny hevitrareo?»

19Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon’i Josefa, eny an-tanan’i Efraima sy ny firenen’i Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin’ny hazon’i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tanako izy ireo.

20Ho eny an-tananao, eo imasony, ireo hazo hosoratanao.

21Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.

22Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany, eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa.

23Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.

24I Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.

25Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay.

26Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.

27Ny fonenako ho eo ambonin’izy ireo; Izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako.

28Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho manamasina an’i Israely, rehefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help