2Mpanjaka 16 - Malagasy Catholic Bible

Ny nanjakan’i Akaza tany Jodà (736-716)

1Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Faseà zana-dRomeliasa no vao nanjaka kosa i Akaza, zanak’i Joatama mpanjakan’i Jodà.

2Roapolo taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny tahaka an’i Davida rainy izy;

3fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely; ny zanany lahy aza, nampamakiany ny afo, araka ny fahavetavetan’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

4Nanaterany sorona aman-java-manitra avokoa teny amin’ny fitoerana avo sy teny amin’ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny.

5Tamin’izay no niakaran-dRasôna mpanjakan’i Siria, sy i Faseà zana-dRomeliasa, hanafika an’i Jerosalema. Nanao fahirano an’i Akaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy.

6Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nahazoan-dRasôna indray an’i Elata ho ambany fahefan’ny Sirianina, kanoroahiny hiala tao Elata ny Jody, fa ny Sirianina no nakao Elata dia monina ao mandrak’androany.

7Nandefa iraka tany amin’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria, i Akaza nanao hoe: «Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Siria, sy ny tanan’ny mpanjakan’i Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo.»

8Ary nalain’i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan’i Asiria.

9Nohenoin’ny mpanjakan’i Asiria izy, ka niakatra namely an’i Damasa ny mpanjakan’i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty i Rasôna.

10Nankany Damasa i Akaza mpanjaka hitsena an’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria. Nony nahita ity ôtely tao Damasa i Akaza mpanjaka, dia nampitondra ny môdelin’ny ôtely sy ny toetr’endriny araka izay nahavitana azy manontolo ho an’i Oriasa mpisorona.

11Ka naorin’i Oriasa mpisorona ny ôtely, ary nataon’i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin’ny môdely nampitondrain’i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan’i mpanjaka avy any Damasa.

12Nony tonga avy any Damasa ny mpanjaka, dia nahita ny ôtely. Nanatona ny ôtely ny mpanjaka dia niakatra teo;

13nodorany teo ny sorona dorany sy ny fanatiny, nararany ny fanatiny araraka, ary naidiny teo ambonin’ny ôtely ny ran’ny sorom-pihavanana.

14Ilay ôtely varahina teo anatrehan’i Iaveh, nafindrany hiala eo anoloan’ny trano, mba tsy ho eo anelanelan’ny tranon’i Iaveh sy ny ôtely vaovao, dia nataony eo anilan’ity ôtely vaovao, eo avarany.

15Ary izao koa no didy nomen’i Akaza mpanjaka an’i Oriasa mpisorona: «Doroy eo ambonin’ny ôtely lehibe ny sorona dorana ny maraina, ny fanatitra hariva, ny sorona dorana amam-panatitry ny mpanjaka, ny sorona dorana amam-panatitry ny vahoaka rehetra; araraho eo ny fanatiny araraka ary aidino eo ny ra rehetra avy amin’ny sorona dorana sy ny ra rehetra avy amin’ny sorona. Fa ny amin’ny ôtely varahina, dia raharahako ny manapaka ny aminy.»

16Notanterahin’i Oriasa mpisorona avokoa izay rehetra nodidian’i Akaza mpanjaka.

17Fanampin’izany, dia novakin’i Akaza mpanjaka koa ny panoa sy ny tongony ary nesoriny ny tavindrano teo amboniny; nampidininy ny ranomasina avy teo ambonin’ireo omby varahina nibaby azy, ka nataony teo ambony lampivato,

18ary nafindrany toerana tao an-tranon’i Iaveh ny trano hevan-tsabata naorina tao amin’ny trano, mbamin’ny fidiran’ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan’i Asiria.

19Ny sisa tamin’ny asan’i Akaza mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

20Ary nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina ao an-tanànan’i Davida ao amin’ny razany. I Ekeziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help