1Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna,
sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria;
dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena,
ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!
2Miampità ho any Kalne ianareo ka zahao;
avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe:
midìna koa any Geta ao amin’ny Filistinina:
moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo,
ary lehibe noho ny anareo va ny tanin’izy ireo?
3Ianareo manao ny andro mahory ho mbola lavitra
ary mampanatona ho akaiky ny fanjakan’ny fahasiahana!
4Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo;
sy mivalandotra eo amin’ny sofàny;
mihinana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ondry izy ireo,
sy ny zanak’omby voafahy ao an-tranon’omby.
5Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy;
namorona zava-maneno, toa an’i Davida.
6Kôpy lehibe no isotroany divay;
diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany;
ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjò an’i Josefa.
7Koa ho lasa izy ireo hatao sesitany
ho lohan’ny lasan-ko babo;
ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian’ireo mpanaram-batana ireo.
Hahatsiravina ny famaizana8Efa nianiana tamin’ny Tenany, ny Tompo Iaveh,
- teny marin’i Iaveh Andriamanitry ny tafika. -
Tsy tiako mainty ny avonavon’i Jakôba,
ary halako ny lapany;
ka hatolotro mbamin’izay rehetra ao aminy ny tanàna.
9Ary raha misy folo lahy no sisa
ao amin’ny trano iray, dia ho faty ireo.
10Ho tonga ny havany anankiray
mbamin’izay mandoro ny faty, ka hitondra ny faty,
dia hoesoriny ny taolam-paty, hiala ao an-trano;
ary ny anankiray hilaza amin’izay ao amin’ny faran’ny trano:
Mbola misy ihany va ato miaraka aminao?
ka holaviny hoe: Tsy misy olona intsony!
Dia hataon’ilay voalohany hoe: Mangìna!
Fa tsy tokony hotononina ny Anaran’i Iaveh.
11Satria, indro i Iaveh fa efa mandidy,
ka nampianjerany trano lehibe ho rava foana,
ary ny madinika ho montsana.
12Moa ny vatolampy ihazakazahan’ny soavaly,
na ampiasana ny omby va izany?
no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny,
ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.
13Dia mifaly ianareo amin’izay zava-poana;
ianareo manao hoe:
«Tsy tamin’ny herinay va, no nahazoanay fahefana?»
14Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely,
- teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika -
hanangana firenena anankiray hampahory anareo,
hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata
ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.