Salamo 77 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 77 (Volgata 76)Fandinihana ny andro lasan’i Israely

1 Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Asafa .

2Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko,

ka mitaraina aho;

miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko:

aoka hihaino ahy anie Izy.

3Mitady ny Tompo, amin’ny andron’ny fahoriako aho;

manandra-tanana tsy mety vizana aho, nony alina;

lavin’ny fanahiko avokoa ny fampiononana.

4Mahatsiaro an’Andriamanitra aho, dia misento;

mieritreritra aho dia reraka ny fanahiko.

- Selà

5Hazoninao misokatra ny hodi-masoko;

ary tsy mahateny aho, azon’ny tebitebiko;

6ka eritreretiko izany andro taloha,

mbamin’ny taona fahizany.

7Tsaroako ny hirako tamin’ny alina;

dia mandinidinika ao am-poko aho,

ary hoy ny fanontanian’ny saiko:

8Dia hanary mandrakizay ve ny Tompo,

dia tsy hankasitraka intsony ve Izy?

9Tapitra mandrakizay va ny famindram-pony?

Tapaka teo va ny fampanantenany momba ny taona ho avy?

10Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony?

Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony?

- Selà

11Hoy aho: «Izao no dia mankararirary ahy:

niova ny tanana ankavanan’Andriamanitra!»

12Te-hampahatsiaro ny asan’i Iaveh aho

fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny.

13Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra,

sy mandinika ny zava-dehibe nataonao.

14Andriamanitra ô, masina ny lalanao,

zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.

15Ianao no Andriamanitra mahavita fahagagana,

naneho ny herinao tamin’ny firenena Ianao.

16Navotanao tamin’ny sandrinao ny vahoakanao,

dia ny taranak’i Jakôba sy i Josefa.

- Selà

17Nahita Anao ny rano, ry Andriamanitra ô,

nahita Anao ny rano dia nangovitra;

nihoviotrovotra ny hantsana.

18Nandatsaka ny ranony ny rahona,

nikotrokotroka ny feon’ny rahona,

dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza

ny zana-tsipìkanao.

19Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao,

nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra;

nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany.

20Lalana nalehanao ny ranomasina,

sakeli-dalana nombanao ny ranobe,

ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.

21Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, Ianao

tamin’ny tanan’i Môizy sy i Aarôna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help