Tononkira dia Tononkira 3 - Malagasy Catholic Bible

1Teo am-pandriako aho, nony alina,

nitady ilay malalan’ny fanahiko;

nitady azy aho, fa tsy nahita...

2Ka hoy aho anakampoko: «Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,

ny lalam-be sy ny kianja,

hitady ilay malalan’ny foko.»

Dia nitady azy aho fa tsy nahita.

3Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanàna:

- Mba hitanareo va ilay malalan’ny foko? -

4Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,

dia nahita an’ilay malalan’ny foko.

Nohazoniko izy, fa tsy navelako nandeha,

mandra-pampiditro azy any an-tranon’i neny,

sy any amin’ny efitranon’ilay nahitako masoandro.

Mpampakatra

5Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela sy ny serfa vavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

TONONKALO FAHATELO

6Iza izato miakatra avy any an’efitra,

tahaka ny setroka mijoalajoala,

manitra mira aman’emboka,

mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?

7Iny eny, ny filanjàn’i Salômôna;

otronin-dehilahy mahery enimpolo,

avy eo amin’ireo lehilahy maherin’i Israely;

8samy mitan-tsabatra avokoa,

ary zatra ady.

Samy eny am-balahany avy, ny sabany,

hampisava ny fahatahorana amin’ny alina.

9Nanao filanjana ho azy i Salômôna mpanjaka,

tamin’ny hazo avy any Libàna.

10Nataony volafotsy ny andriny,

volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana;

amborodao ny eo afovoany,

asam-pitiavana avy amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

11Mivoaha, ry zanaka vavin’i Siôna, jereo i Salômôna mpanjaka,

misatroka ny satroboninahitra, nasatro-dreniny azy

amin’ny andro ampakarany vady,

amin’ny andro ifalian’ny fony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help