1Zanak’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin’ny elanela-masonareo, noho ny amin’ny maty.
2Fa vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ary nofidin’i Iaveh mba ho vahoakany manokana amin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
Biby madio sy biby maloto3Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.
4Izao no biby fihinanareo: ny omby, ny ondry sy ny osy,
5ny serfa, ny gazela, ny daima, ny osy dia madinika, ny antilôpa, ny ombimanga, ny osy dia.
6Rehefa mety ho biby mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika dia hano;
7fa aza mihinana izay mandinika fotsiny, na izay mivaky kitro sy misampan-tongotra fotsiny, toy ny rameva sy ny bitro, fa mandinika ireo, fa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireny;
8toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny.
9Izao no biby hohaninareo amin’izay rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombo aman-kirany dia hohaninareo,
10fa aza mihinana izay rehetra tsy misy vombo aman-kirany, maloto aminareo izany.
11Hano avokoa ny vorona madio rehetra.
12Izao no tsy hohaninareo: ny egla, ny orofiray, ny papango;
13ny voromahery, ny fanindry, mbamin’ny aotoro isan-karazany;
14ny goaika isan-karazany,
15ny ostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, mbamin’ny hitsikitsika isan-karazany;
16ny vorondolo, ny ibisy, ny vorondolo be;
17ny pelikano, ny manarana, ny vivỳ,
18ny vano be, mbamin’ny vano isan-karazany, ny lavasanga, sy ny manavy.
19Ny biby kely manana elatra rehetra, dia hevero ho maloto, ka aza homana azy.
20Fa ny vorona madio rehetra no hano.
21Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin’ny vahiny. Fa ianao dia vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao.
Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Fahafolom-pananana isan-taona22Atokano ny fahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.
23Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.
24Nefa raha lavitra loatra ho anao ny lalan-kaleha ka tsy azonao entina any izany noho ny halaviran’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, rehefa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao,
25dia takalozy vola ny fahafolom-bokatrao, ka fihino eo an-tananao ny vola dia mankanesa amin’ny fitoerana izay nofidin’i Iaveh Andriamanitrao.
26Amidio an’izay rehetra irin’ny fanahinao amin’ny vola: na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikôla, izay rehetra tian’ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ary mifalia ianao sy ny ankohonanao.
27Aza manary ny Levita izay ao anatin’ny vavahadinao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy.
Fahafolom-pananana isan-telo taona(Jereo Deter 26,12)28Amin’ny faran’isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ary ataovy eo anatin’ny vavahadinao.
29Ka aoka ho avy amin’izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ama-mpitondratena izay ao anatin’ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.