Izaia 4 - Malagasy Catholic Bible

1Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito

hihazona lehilahy iray, hanao hoe:

«Ny mofonay no hohaninay,

ary ny fitafianay no hitafianay,

fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay,

ka halànao tondromaso.»

Ireo sisa tsy simba ao Jerosalema

2«Amin’izany andro izany,

ny solofon’i Iaveh ho haingo amam-boninahitra,

ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka,

ho an’ireo sisan’i Israely afaka.

3Ka izay ho tafajanona ao Siôna,

sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema

hantsoina hoe masina;

dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»

Fiarenana ho avy

4Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna,

ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany,

amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,

5amin’izay dia hoforonin’i Iaveh eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo,

sy eo ambonin’ny fivoriany,

ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro,

ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina.

Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo;

6fa hisy lay mba hanalokaloka,

amin’ny fidaindainan’ny andro,

ary ho fandosirana sy fialofana,

amin’ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help