Jôba 8 - Malagasy Catholic Bible

Ny tsy maintsy ho fandehan’ny fahamarinan’Andriamanitra

1Dia niteny i Baldada avy any Sohe tamin’izay ka nanao hoe:

2«Mandra-pahoviana no hanaovanao teny toy izany,

sy vava miloaka toy ny tafio-drivotra mifofofofo?

3Andriamanitra va hampandefitra ny rariny,

ny Tsitoha va hamadika ny fahamarinana?

4Ny zanakao aloha raha nanota taminy,

dia natolony ho eo am-pelatanan’ny haratsiany.

5Ianao kosa, raha mangata-bonjy amin’Andriamanitra ianao,

raha mitalaho amin’ny Tsitoha ianao,

6raha madio sy mahitsy fo ianao,

dia hiambina anao Izy,

haveriny amin’ny fiadanany indray ny fonenan’ny fahamarinanao,

7ka hataonao zavatra kely foana ny toetranao voalohany

noho ny faharoa efa lasa ambony loatra.

8Anontanio ange ny olona tany aloha;

diniho ange izay efa notsapain’ny razana;

9satria isika vao omaly, ka tsy mahalala na inona na inona,

ny androntsika eto an-tany mihelina toy ny aloka,

10fa ireny kosa, tsy hanoro anao sy hilaza aminao va,

ka hamoaka oha-teny avy ao am-pony?

11Maniry eny ivelan’ny heniheny va ny zozoro?

mitrebona tsy misy rano va ny harefo?

12Mbola tanora, tsy voatapaka akory izy,

dia maina, alohan’ny zava-maitso eny an-tsaha.

13Toy izany koa ny lalan-kalehan’izay manadino an’Andriamanitra,

ho levona ny fanantenan’ny tsy mpivavaka.

14Ho maito ny tokiny,

hanahaka ny tranon-kala ny fitokiany.

15Miankina amin’ny tranony izy, nefa tsy mafy orina io;

mifikitra aminy izy, nefa tsy mahajoro io.

16Be aina eo ambany masoandro izy;

misandrahaka eo amin’ny tanimboliny, ny rantsany;

17mifandiditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany;

tafalentika hatreo ambanin’ny vato izy.

18Raha voafongotra teo amin’ny fitoerany izy,

dia lavin’ny fitoerany ataony hoe:

‹Tsy nahita anao na oviana na oviana aho›.

19Ka tapitra hatreo ny fijaliany

fa hafa indray no hisandratra avy amin’io tany io.

20Tsia. Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny;

Izy tsy mitantana ny mpanao ratsy.

21Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao,

hataony eo amin’ny molotrao ny hira fifaliana.

22Ho safo-kenatra ny fahavalonao;

ary ho fongotra ny lain’ny ratsy fanahy».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help