1Nony efa voampiditra ny fiaran’Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan’ny lay naorin’i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.
2Nony vitan’i Davida ny fanolorana ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny Anaran’i Iaveh izy.
3Ary ny olona rehetra tamin’i Israely na lahy na vavy, dia nizarany mofo iray avy, sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray.
Ny ataon’ny Levita eo anoloan’ny fiara.4Nisy Levita sasany notendren’i Davida hitoetra eo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh mba hanao ny fanompoana amin’ny fangatahana, fankalazana sy fiderana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely;
5dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,
6i Banaisa sy i Jaziela mpisorona nitsoka anjomara lalandava, teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’Andriamanitra.
7Tamin’izay andro izay no voalohany nanapahan’i Davida, fa ny feon’i Asafa sy ny rahalahiny no hankalazana an’i Iaveh:
(Jereo Sal 105,1-15)8«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany,
ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.
9Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy.
Torio ny fahagagana rehetra nataony.
10Ataovy rehareha ny Anarany masina,
aoka ho faly ny fon’izay mitady an’i Iaveh.
11Katsaho i Iaveh sy ny heriny,
tadiavo lalandava ny tavany.
12Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony,
ny fahagagany sy ny fitsaràn’ny vavany,
13ry taranak’i Israely mpanompony,
ry terak’i Jakôba, ianareo olom-boafidiny.
14Izy, Iaveh no Andriamanitsika,
mahazo ny tany rehetra ny fitsaràny.
15Tsahivo mandrakariva ny fanekeny,
ny teny nataony ho an’ny taranaka arivo mandimby.
16Fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama,
ny fianianana nataony ho an’i Isaaka,
17izay naraikiny ho lalàna tamin’i Jakôba,
ary ho fanekem-pihavanana mandrakizay ho an’i Israely,
18nataony hoe: ‹Homeko anao ny tany Kanaana,
ho anjara lovanao.›
19Fony mbola mora isaina ianareo,
vitsy isa, sady vahiny tamin’ny tany,
20nivezivezy nifindra firenena izy ireo,
avy amin’ny fanjakana iray ho amin’ny vahoaka hafa,
21tsy navelany hampahory azy,
fa izy ireo aza namaizany mpanjaka:
22aza mitendry ireo voahosotra,
aza manisy ratsy ny mpaminaniko.
(Jereo Sal 96,1-13)23Mihirà ho an’i Iaveh, ry mponina amin’ny tany rehetra,
torio isan’andro ny famonjeny.
24Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny
ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany.
25Fa lehibe i Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra,
ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra Izy;
26fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia sampy.
Ary i Iaveh no nanao ny lanitra;
27fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany,
ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.
28Omeo an’i Iaveh, ry fianakaviam-pirenena,
omeo an’i Iaveh ny voninahitra sy ny fahefana;
29omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany.
Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany;
mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
30Mangovita eo anatrehany, ry mponina amin’ny tany rehetra,
ary izao tontolo izao, voaarina, tsy mba hivembena.
31Aoka hifaly ny lanitra,
ary aoka hiravo ny tany!
Aoka holazaina eram-pirenena ny hoe: ‹Mpanjaka i Iaveh!›
32Aoka hirohondrohona ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra eo aminy!
Aoka hisomebiseby ny saha, mbamin’izay rehetra eo aminy!
33Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an’ala,
eo anatrehan’i Iaveh fa avy hitsara ny tany Izy.
(Jereo Sal 106,1, 47, 48)34Miderà an’i Iaveh fa tsara Izy,
fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
35Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay!
angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena,
mba hankalazanay ny Anaranao masina
sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.›
36Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely,
Hatramin’ny mandrakizay, ka ho mandrakizay.»
Ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Amen!» sy hoe: «Miderà an’i Iaveh!»
37Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh i Asafa mbamin’ireo rahalahiny, mba hanao tsy tapaka ny fanompoana eo anoloan’ny Fiara, araka ny anjara raharahany isan’andro.
38Toy izany koa i Obededôma mbamin’ireo rahalahiny 68, i Obededôma zanak’i Iditona ary i Hosa, ho mpiandry varavarana.
39Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna,
40mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.
41Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
42Niaraka tamin’ireo, dia niaraka tamin’i Hemàna sy i Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an’ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin’ny zava-maneno hampiarahina amin’ny hiran’Andriamanitra. Ny zanak’i Iditona niadidy ny varavarana.
(Jereo 2Sam 6,19-20)43Samy nody tany an-tranony avy ny vahoaka rehetra, ary i Davida koa nody hitso-drano ny ankohonany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.