Amôsy 3 - Malagasy Catholic Bible

I Israely

1Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh

ny aminareo, ry zanak’i Israely,

ny amin’ny fianakaviana rehetra

nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:

2Ianareo irery no fantatro

tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany;

ka izany no hamaizako anareo

noho ny helokareo rehetra.

2. FAMPITANDREMANA SY FANAMBANANA AN’I ISRAELYFifidianana sy sazy

3Miara-mandeha va ny olona roa,

raha tsy efa nifanaiky izy?

4Mierona any an’ala va ny liona,

raha tsy efa nahazo remby?

Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora,

raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?

5Latsaka amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody,

raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?

Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika,

raha tsy efa nahazo zavatra izy?

6Trômpetra va no haneno ao an-tanàna,

ka tsy hivadi-po ny vahoaka?

Misy loza tonga amin’ny tanàna va,

raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?

7Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,

raha tsy efa nanambara ny heviny miafina

tamin’ny mpaminany mpanompony.

8Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra?

Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?

Nihasimba i Samaria ka ho levona

9Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao,

ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa,

ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo,

ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy,

sy izato fahasiahana ao anatiny.»

10Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo,

- teny marin’i Iaveh, -

dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana

ao anatin’ny lapany.

11Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

«Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy,

ka ny herinao hendahany aminao;

ary ny lapanao ho voaroba.»

12Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona

ny ranjo roa na tendron-tsofina iray,

no famonjy ny zanak’i Israely

izay mipetraka ao Samaria,

eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana

avy any Damasy.»

Teny mamely an’i Betela sy ireo tranony mierinerina

13Mihainoa ianareo ka lazao marina

eny amin’ny taranak’i Jakôba,

- teny marin’ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika: -

14Amin’ny andro hamaliako an’i Israely noho ny fandikany ny lalàna,

no hamaliako ny momba an’ireo ôtely ao Betela koa;

hokapaina ny tandroky ny ôtely ka hianjera amin’ny tany.

15Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra;

hosimbana ny trano ivoara

ary horavàna ny trano maro - teny marin’i Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help