Izaia 31 - Malagasy Catholic Bible

Teny famelezana an’i Ejipta

1Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta;

miantehitra amin’ny soavaly,

ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny,

sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka;

nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy;

ary i Iaveh tsy tadiaviny.

2Izy anefa dia hendry; mahatonga loza, tsy mitsoa-teny,

hitsangan-kamely ny ankohonan’ny ratsy fanahy,

ary handà ny fanampiana

avy amin’izay manao ny tsy marina.

3Ny Ejiptianina dia olombelona ihany, fa tsy fanahy;

dia haninji-tanana i Iaveh,

ka ho tafintohina izay manampy,

ho potraka izay hampiana,

ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.

Iadian’i Iaveh i Asora

4Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko:

«Toy ny fieron’ny liona

sy ny liona tanora amin’ny rembiny,

raha mivory hanohitra azy

ny mpiandry ondry maro be,

ka tsy resin-tahotra izay horakorak’izy ireo,

na manahy izay hamaroany akory;

toy izany koa no hidinan’i Iavehn’ny tafika mba hiady,

eo an-tendrombohitra Siôna sy eo amin’ny havoany.

5Tahaka ny vorona mamelatra elatra hanomba ny zanany,

no hiarovan’i Iavehn’ny tafika an’i Jerosalema;

hiaro Izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.

6Koa miverena re amin’Ilay efa nihatahanareo fatratra,

ry zanak’i Israely.

7Fa amin’izany andro izany ny olona,

samy hanary ny sampy volafotsy aman-tsampy volamena avy

izay nataon’ny tananareo hanotàna.

8Ary i Asora ho lavon-tsabatra,

nefa tsy sabatr’olombelona;

sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy;

handositra eo anoloan’ny sabatra izy,

ary ny zatovony hampandoavina hetra.

9Ny vatolampy handositra aman-tahotra;

ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva,

- teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna,

sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help