1Nanjaka tamin’ny fanjakana rehetra, hatramin’ny ony ka hatramin’ny tanin’i Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta i Salômôna, ary nitondra fanatitra sy nanoa an’i Salômôna nandritra ny andro niainany izy ireo.
2Izao no hanina lanin’i Salômôna isan’andro: lafarina tsara indrindra telopolo kora, lafarina antonintoniny enimpolo kora,
3omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato,
4fa izy no nanapaka ny tany rehetra an-dafin’ny ony, hatrany Tafsà ka hatrany Gazà, dia tamin’ny mpanjaka rehetra an-dafin’ny ony, ary nandry fahalemana izy tamin’izay rehetra nanoa azy hatraiza hatraiza.
5Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
640.000 no efitranon’ny soavaly mpitarika kalesin’i Salômôna, ary 12.000 no soavaly fitaingina.
7Novonoin’ireo mpikarakara hanina samy amin’ny volana anjarany avy izay hanina nilain’i Salômôna mpanjaka sy ireo rehetra voaray hiray latabatra amin’i Salômôna mpanjaka, ka tsy navelany hisy tsy ampy na inona na inona.
8Ny soavaly mpitarika kalesy sy fitaingina koa, dia nitondrany orja amana mololo tany amin’izay toerana nisy azy, samy araka izay nandidiana azy avy.
Ny lazan’i Salômôna9Nomen’Andriamanitra fahendrena amam-pahiratan-tsaina lehibe, ary saina mahataka-javatra be toy ny fasika amoron-dranomasina i Salômôna,
10ka nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendren’i Ejipta rehetra, ny fahendren’i Salômôna.
11Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
12Nanao ohabolana 3.000 izy, nahavita tononkira 1005.
13Nanao lahateny momba ny zava-maniry izy, hatramin’ny hazo sedera maniry any Libàna ka hatramin’ny hisopa mitsimoka eny amin’ny ampiantàny. Nandaha-teny momba ny biby efa-tongotra sy momba ny voromanidina koa izy, mbamin’ny biby mandady aman-kazandrano.
14Avy amin’ny firenena rehetra, dia nisy olona tonga hihaino ny fahendren’i Salômôna, ary avy amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra izay nandre ny lazan’ny fahendreny.
2. I SALÔMÔNA MPANORINA TRANOFiomanana hanorenana ny tempoly15Ary i Hirama, mpanjakan’i Tira, naniraka ny mpanompony ho any amin’i Salômôna, fa reny hoe voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy izy, ary sakaizan’i Davida hatrany hatrany i Hirama.
(Jereo 2Tan 2,3-10)16Ary i Salômôna naniraka olona hilaza amin’i Hirama hoe:
17«Fantatro fa i Davida raiko, dia tsy afa-nanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny, noho ireo ady avy amin’ny fahavalony nanodidina azy, mandra-panaon’i Iaveh an’ireny ho eo ambany faladiany.
18Fa izaho kosa ankehitriny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitro fitsaharana amin’ny manodidina rehetra; fa tsy misy fahavalo na zava-manahirana intsony.
19Ka indro aho mikasa hanao trano ho an’ny anaran’i Iaveh Andriamanitro, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Davida, raiko, hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao, handimby anao, no hanao ny trano ho an’ny Anarako.
20Koa ankehitriny asaovy misy mikapa hazo sedera ho ahy, any Libàna. Hiaraka amin’ny mpanomponao ny mpanompoko, ary homeko anao ho karaman’ny mpanomponao izay rehetra holazainao, satria fantatrao fa tsy mba misy olona mahay mikapa hazo, toy ny Sidonianina, atỳ aminay.»
21Faly indrindra i Hirama nony nandre ny tenin’i Salômôna ka nanao hoe: «Hankalazaina anie i Iaveh ankehitriny fa nomeny zanaka hendry i Davida, hanapaka izany vahoaka be izany.»
22Ary nanirahan’i Hirama olona i Salômôna hilaza hoe: «Efa reko ny zavatra nampilazainao ahy, ka hotanterahiko ny fanirianao momba ny hazo sedera sy ny hazo sipresa.
23Hampidinin’ny mpanompoko ho any amin’ny ranomasina izany avy any Libàna, dia hampitaiko ny ranomasina izany, ho any amin’izay toerana hotondroinao, any vao asaiko hovahany izy, hampanalainao. Ary ianao kosa hanatanteraka ny faniriako amin’ny famononan-kanina ho an’ny ankohonako.»
24Dia nomen’i Hirama an’i Salômôna ny hazo sedera sy ny hazo sipresa, araka izay nilainy,
25ary ny nomen’i Salômôna an’i Hirama kosa, dia varimbazaha 20.000 kora, sy diloilo avy amin’ny ôliva voatoto 20 kora, ka isan-taona i Salômôna manome toy izany an’i Hirama ihany.
26Nomen’i Iaveh fahendrena i Salômôna araka ny nampanantenainy azy, ary nihavana i Hirama sy i Salômôna, ka nanao fanekena izy ireo.
27Naka olona tamin’i Israely rehetra i Salômôna ho mpanao fanompoana ary 30.000 no isan’ny olona mpanao fanompoana.
28Ireo no nirahiny hankany Libàna nifandimby isam-bolana, natao 10.000 avy, ka iray volana izy no tany Libàna, roa volana kosa tany an-tranony, ary i Adônirama no nifehy ny olona mpanao fanompoana.
29I Salômôna koa nanana mpitondra entana 70.000, sy tambato teny an-tendrombohitra 80.000,
30afa-tsy ny lehibe notendren’i Salômôna hitandrina ny asa atao, izay nisy 3.300; izy ireo nifehy ny vahoaka izay niasa tamin’ny asa atao.
31Vato lehibe, vato voafantina no nasain’ny mpanjaka nalaina mba hanorenana ny fototry ny trano amin’ny vato voapaika.
32Ny mpandrafi-baton’i Salômôna sy ny mpandrafi-baton’i Hirama, ary ny Giblianina, no nipaika sy namboatra ny hazo sy ny vato hanaovana ny trano.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.