Mikea 5 - Malagasy Catholic Bible

1Ary ianao, ry Betleema Efratà,

kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,

avy aminao no hivoaka ho Ahy

ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely,

ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,

hatramin’ny andro mandrakizay.

2Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy

mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka;

ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina

amin’ny zanak’i Israely.

3Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny,

amin’ny herin’i Iaveh,

amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny;

ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay,

hatrany amin’ny faran’ny tany.

4Izy no ho fiadanana.

Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina,

ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony,

dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy,

sy mpifehy ny vahoaka valo,

5Hiandry ny tanin’i Asora amin’ny sabatra ireo,

sy ny tanin’i Nemrôda eo am-bavahadiny;

ary izy hanafaka antsika amin’ny Asirianina,

rehefa tonga amin’ny tanintsika ireny,

sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony.

Ny hataon’ny sisa amin’i Israely any amin’ny firenen-kafa

6Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro,

ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh,

toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso;

izy tsy miandry izay olona akory,

na matoky ny zanak’olombelona.

7Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena,

eo afovoan’ny vahoaka maro,

dia ho toy ny liona eo amin’ny biby any an’ala,

ho toy ny liona tanora eo amin’ny andian’ondry;

ka raha mandalo sy manosihosy ary mamiravira izy,

tsy misy mahavonjy.

Horavan’i Iaveh daholo izay foronin’olombelona

8Aoka hiainga ny tananareo hamely izay manohitra anareo,

ary aoka ho ringana ny fahavalonareo!

9Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -

ny soavalinao haringako eo aminao,

ny kalesinao hofongoriko.

10Ny tanàna eo amin’ny taninao horavako;

ny tranonao mimanda harodako avokoa.

11Ny famosavianao, hoesoriko eny an-tananao,

ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.

12Ny sampy aman-tsangam-batonao hofoanako eo aminao,

ka tsy hivavaka amin’ny asan-tananao intsony ianao.

13Hongotako ny aserah eo afovoanao,

ary harodako ny tanànanao,

14Ary amin’ny hatezerako amam-pahavinirako Aho

hamaly faty an’ireo firenena izay tsy nihaino.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help