1Tiavonareo ny fahamarinana, ianareo izay mpitsara eto an-tany; aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo, ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
2fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy, ary miseho amin’izay matoky Azy.
3Satria ny hevi-dratsy, mampisaraka amin’Andriamanitra, ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy miampanga ny adala.
4Ny fahendrena tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy, ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
5Ny Fanahy Masina, mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy, manalavitra ny hevitra tsy misy saina, ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
6Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena, ka tsy avelany ho afa-potsiny ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony. Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany, Mpamantatra marina ny fony, ary mandre ny teniny.
7Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo, ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ka reny daholo izay lazain’ny olona.
8Ka izay manao resaka mifanohitra amin’ny fivavahana tsy afa-miery dia tsy hohadinoin’ny fitsarana mpankafay ny ratsy.
9Fa hanaovana famotorana ny hevitra kasain’ny tsy mpivavaka, ary ho tonga hatrany amin’ny Tompo ny fisamonin’ny teniny, mba hosazina amin’ny ratsy nataony izy.
10Ny sofina saro-piaro, mandre ny zavatra rehetra, ary tsy miery aminy ny fimonomononana;
11koa fadio ny fimonomononana tsy mahasoa, ary arovy ny lelanao tsy hiteny ratsy an’Andriamanitra, fa ny teny an-tsokosoko indrindra raha haloaky ny vava tsy maintsy sazina, ary ny vava mandainga, hampahazo fahafatesana ny fanahy.
12Ka aza dia mitady faty amin’ny fitondran-tena miavona; na mihantsy fahaverezana, amin’ny asan-tananareo.
13Fa tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona.
14Noarîny ho amin’ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaarin’izao tontolo izao; tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin’ny tany ny fahafatesana.
15Satria tsy mety maty ny fahamarinana.
Ny fiainana araka ny hevitry ny ratsy fanahy.16Fa ny ratsy fanahy no miantso ny fahafatesana amin’ny fihetsiketsehany sy ny feony; ataony sakaizany ilay io ka fatra-pitia azy izy ireo, dia manao fanekena aminy, ka dia mendrika tokoa ny mba azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.