Salamo 148 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 148Fideràn’izao tontolo izaoAleloia!

1Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra,

miderà Azy any ambony any!

2Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra,

miderà Azy ianareo tafiny rehetra!

3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;

miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra.

4Miderà azy ry lanitry ny lanitra

ary ianareo rano ambonin’ny lanitra.

5Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo:

fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.

6Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy,

ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.

7Miderà an’i Iaveh etỳ an-tany,

ry biby goay be anaty ranomasina,

mbaminareo rehetra ranomasin-dehibe,

8afo aman-kavandra, oram-panala aman’etona,

rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,

9tendrombohitra mbaminareo havoana rehetra,

hazo fihinam-boa mbaminareo sedera rehetra,

10biby dia amam-biby fiompy isan-karazany;

biby mandady amam-boro-manana elatra,

11mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra,

mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany,

12zatovo lahy sy virjiny tanora,

lahy antitra sy zaza.

13Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo,

fa ny Anarany no hany lehibe,

ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.

14Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy,

foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy,

dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy.

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help