1Mandosira, ry taranak’i Benjamina,
hiala ao afovoan’i Jerosalema.
Mitsofa anjomara any Tekoà,
ary manangàna famantarana any Betakarema!
Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.
2Ilay tsara tarehy, sy fatra-piangola,
ilay zanaka vavin’i Siôna, horavako!
3Tonga mitondra ny andian’ondriny ho ao aminy, ireo mpiandry ondry,
ka hanorina ny lainy manodidina azy;
dia samy homam-bilona amin’ny faritaniny avy.
4Atombohy ny ady hamelezana azy;
mitsangàna, andeha isika hananika azy amin’izao antoandro be izao!
Loza ho antsika fa efa mirerarefa ny andro,
efa mandroso ny aloky ny hariva.
5Mitsangàna andeha hanaovantsika latsaka alina,
dia horavantsika ny lapany!
6Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Kapao ny hazony;
manaova tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema;
io no tanàna hovaliana,
fa tsy misy afa-tsy faharatsiana ao anatiny.
7Toy ny fantsakana mampiboiboika ny ranony izy,
mampiboiboika ny faharatsiany.
An-keriny amam-pandravana no hàny re ao;
fery aman-dratra no eo anatrehako eo mandrakariva.
8Mihatsarà ianao, ry Jerosalema
fandrao ialàn’ny fanahiko ianao,
ka ataoko zary efitra,
tany tsy onenana.
9Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka,
izay sisa amin’i Israely.
Averimbereno eo ny tananao,
toy ny ataon’ny mpioty amin’ny rantsam-boaloboka.
10Iza no hitenenako, ary zovy no hiangaviako hihainoany ahy?
Indro fa tsy voafora ny sofin’izy ireo,
ka tsy mahahaino izy.
Indro fa tonga fahafaham-baraka ho azy ireo ny tenin’i Iaveh,
ka tsy ankasitrahiny kely akory.
11Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh,
ka sasatra ny mitana izany.
Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany,
sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo!
Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy,
na ny antitra sy ny efa ela niainana.
12Ny tranony ho lasan’ny hafa;
ny sahany mbamin’ny vadiny torak’izany koa.
Fa haninji-tanana
amin’ny mponina amin’ny tany Aho, - teny marin’i Iaveh. -
13Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe
samy manao filàna tsy marina avokoa;
hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona
samy mamitaka avokoa.
14Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako,
lazainy hoe: «Fiadanana! Fiadanana!»
nefa tsy misy fiadanana tsinona.
15Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana;
nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy,
ary tsy mba valahara!
Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo;
ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.
16Izao no lazain’i Iaveh:
«Mitoera eny amin’ny lalana ianareo, ka mijere;
anontanio izay lalana faleha taloha,
izay lalan’ny famonjena ka iny aleha,
dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.»
Kanjo izao no navalin’izy ireo: «Tsy handeha amin’izany izahay.»
17«Nametraka mpitily teo anilanareo Aho:
Ka tandremo ny feon’ny anjomara!»
Kanjo namaly izy nanao hoe: «Tsy hotandremanay izany!»
18Koa mihainoa ianareo, ry firenena;
aoka ho fantatrareo ny hanjò azy, ry fivorian’ny firenena;
19Mihainoa, ry tany:
Indro fa misy loza entiko
hamely ity vahoaka ity,
dia ny vokatry ny hevi-dratsiny;
satria tsy nihaino ny teniko izy ireo;
sady nandà ny lalàko.
20Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà,
sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra?
Tsy sitrako ny sorona doranareo;
tsy mamiko ny soronareo.
21Koa izao no lazain’i Iaveh:
«Indro Aho hanisy vato fanafintohinana amin’ity vahoaka ity,
ka samy ho tafintohina eo ny ray sy ny zanany;
hiara-maty eo ny mponina sy ny manakaiky azy.»
22Izao no lazain’i Iaveh:
«Indro misy firenena tamy avy any amin’ny tany avaratra;
misy firenena lehibe miainga
avy any am-paran’ny tany.»
23Ka izy ireo dia mahay mandefa zana-tsipîka aman-defona;
olona masiaka tsy manana indrafo;
mirohondrohona hoatra ny ranomasina ny feony;
mitaingin-tsoavaly izy,
vonon-kiady, toa olona iray monja,
hamely anao, ry zanaka vavin’i Siôna.
24Vao nandre azy tamy izahay,
dia niraviravy tanana, velon-tebiteby,
azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.
25Aza mivoaka ho any an-tsaha,
na mandeha eny an-dalambe,
fa mitan-tsabatra ny fahavalo,
misy fangorohoroana manodidina.
26Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay;
mihosena amin’ny lavenona;
manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana;
midradradradrà mafy
fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.
27Nanangana anao eo amin’ny vahoakako Aho,
ho mpitaiza toetra sy ho trano mimanda,
mba hahalalanao sy hizahanao toetra ny lalany.
28Mpiodina raha samy mpiodina izy rehetra;
mamafy fanendrikendrehana;
varahina sy vy izy ireo;
ary samy efa simba avokoa.
29Levon’ny afo ny tafoforana; lany ny firaka;
diovina ka diovina koa,
nefa tsy mihataka hiala eo ny ratsy fanahy.
30Volafotsy farany, hoy ny olona:
satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.