Salamo 146 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 146 (Volgata 145)Antsa ho an’Andriamanitra mangorakaAleloia!

1Miderà an’i Iaveh, ry fanahiko.

2Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako;

sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.

3Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka,

na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy;

4fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy,

ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy

5Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba

ho famonjena azy

sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.

6I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany,

ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.

7Manome rariny an’izay ampahorîna,

manome hanina an’izay noana;

i Iaveh manafaka an’izay voababo;

8I Iaveh mampihiratra ny jamba;

i Iaveh mampitraka ny mitanondrika;

i Iaveh tia ny marina;

9i Iaveh miaro ny mpivahiny;

manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy;

fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.

10Mpanjaka mandrakizay i Iaveh,

Andriamanitrao amin’ny taona mifandimby Izy, ry Siôna.

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help