1Makabeo 1 - Malagasy Catholic Bible

1. TENY MIALOHAI Aleksandra sy ireo mpandimby azy

1I Aleksandra, zanakalahin’i Filipo, Masedôniana, avy amin’ny tanin’i Setima, rehefa naharesy an’i Dariosa, mpanjakan’ny Persa sy ny Meda, sy tonga mpanjaka nisolo azy, ary efa nanjaka tamin’i Gresy, aloha,

2dia niantafika imbetsaka sy nahazo trano mimanda maro ary namono mpanjakan’ny tany.

3Tongany hatrany amin’ny faran’ny tany, ka firenena maro no nahazoany babo, ary nangina teo anatrehany ny tany.

4Nisondrotra ny fony ka nibohibohy; namory tafika mahery tokoa izy,

5ka nampanaiky tany amam-pirenena sy mpanjaka maro izay nanjary mpandoa hetra ho azy,

6dia nilamaka tao am-pandriana izy, ka nanandindona azy ny ho faty,

7ka nantsoiny hanatona azy ny manamboninahiny ambony laharana, namany hatramin’ny fahatanorany, dia nozarainy tamin’ireo ny fanjakany, dieny mbola velona izy.

8Roa ambin’ny folo taona no nanjakan’i Aleksandra, dia niamboho izy.

9Samy naka ny anjara fanapahany teo amin’ny zarataniny avy ny manamboninahiny.

10Samy nisatroka ny satro-panjakana izy ireo, mbamin’ny zanany nandimby azy taorian’ny nahafatesany, nandritra ny taona maro, ary nampitomboiny be ny loza eto an-tany.

I Antiôkosy Epifana sy ny nidiran’ny «helenista» tao amin’i Israely.

11Nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin’ireo mpanjaka ireo, dia i Antiôkosy Epifana, zanak’i Antiôkosy mpanjaka, izay natao antoka tany Rôma, sy tonga mpanjaka tamin’ny faha-137 taonan’ny fanjakan’ny Grika.

12Tamin’izany andro izany, nisy taranaka mpivadika avy amin’i Israely ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe: «Andeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika, fa nidiran-doza maro isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.

13Ary nataony ho mety harahina izany teny izany.

14Ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka, ka nomeny lalana hanaraka ny fanaon’ny firenena.

15Nanorina toerana fanaovana asa tena mampatanjaka tao Jerosalema, araka ny fanaon’ny firenena, izy ireo.

16Nofoanan’izy ireo ny marika amin’ny famorana azy, dia nialany amin’izay ny fanekena masina, ary tafakambana tamin’ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.

I Antiôkosy Epifana mandrava ny Tempoly sy manenjika ny Jody manaraka ny Lalàna

17Nony efa nataon’i Antiôkosy, fa tafaorina tsara ny fanapahany, dia izay hanjakany amin’i Ejipta no noheveriny, mba hahatonga azy ho mpanjaka amin’ny fanjakana roa.

18Ka dia niditra tany Ejipta izy nitondra tafika lehibe, nomban-kalesy aman’elefanta sy mpitaingin-tsoavaly, mbamin’ny sambo maro be.

19Namely an’i Ptôlemea mpanjakan’i Ejipta izy, nefa raiki-tahotra teo anoloany io ka nitsoaka nandositra, ary vahoaka be no niampatrampatra maty.

20Nalain’ny Sirianina ny tanàna mimanda, teo amin’ny tany Ejipta; ary nofaohin’i Antiôkosy ny babo eran’i Ejipta.

(Jereo 2Mak 5,11-16)

21Rehefa avy nandresy an’i Ejipta i Antiôkosy, tamin’ny taona faha-143, dia niverina, ka i Israely indray no nalehany hasiana.

22Nony tafakatra tao Jerosalema nomban-tafika lehibe izy,

23dia sahy niditra nisolantsolana teo amin’ny fitoerana masina, nalainy tao avokoa, ny ôtely volamena, ny fanaovan-jiron’ny fanazavana, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny latabatra fandaharana ny mofo, kôpy aman-tasy sy vilia tasiaka volamena, ny efitra lamba, ny fehiloha aman-kaingo volamena tamin’ny rindrina anoloan’ny tempoly; nendahany hatraiza hatraiza ny peta-bolamena.

24Nalainy koa ny volamena sy volafotsy mbamin’ny kapoaka sarobidy, mbamin’ny rakitra miafina azony nokarohina. Nentiny avokoa izany rehetra izany, dia niditra any amin’ny taniny izy,

25rehefa avy namono olona betsaka sy namoaka teny diso vala.

26Ka fisaonana lehibe no teo amin’ny Israelita, tamin’izay fitoerana rehetra nonenany.

27Velon-taraina ny lehibe aman-doholona, niraviravy tanana ny zatovovavy aman-jatovolahy, nihasimba ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy.

28Ny vao nampaka-bady, re nidradradradra, ny avy nampakarina, namarin-dranomaso nipetraka ao amin’ny efitra fampakaram-bady.

29Ny tany nihorohoro toy ny matahotra noho ny amin’ny mponina ao aminy, ary ny tamingan’i Jakôba safo-kenatra avokoa.

(Jereo 2Mak 5,24-26)

30Roa taona taorian’izany, nandefa mpamory hetra ho any amin’ny tanànan’i Jodà, ny mpanjaka. Dia tonga tao Jerosalema izy, nitondra miaramila betsaka.

31Ary nosaroroiny tamin’ny teny malefaka ny mponina, ka nandray azy tsy amin’ahiahy.

32Kanjo nony inona dia nodainany tampoka ny tanàna ka nasiany tamin’ny loza mafy, ary nahafatesana betsaka ny Israelita.

33Nobaboiny ny tanàna, nodorany tamin’ny afo, nazerany ny trano, noravany ny manda manodidina.

34Nentiny ho babo ny zaza amam-behivavy ary nofaohiny koa ny biby fiompy.

35Raha efa izany, nohodidinin’ny Sirianina manda lehibe sy mafy ny tanànan’i Davida, sady nasiany tilikambo mafy dia mafy,

36nataony trano mimanda, ho azy ireo. Dia taranak’olon-dratsy, tsy nanam-pinoana na lalàna, no napetrany tao; niorina mafy teo izy ireo.

37Fiadiana amam-pitaovana betsaka no navozeziny tao; nangoniny koa ny babo azony tao Jerosalema ka tao no nametrahany azy; loza nipetraka ho an’ny tanàna izy ireo.

38Io manda io, dia toy ny fandrika voatsangana hamely ny fitoerana masina, sy toy ny fahavalo mahatahotra ho an’i Israely nandritra izany fotoana rehetra izany.

39Nararak’izy ireo teo amin’ny manodidina ny tempoly ny ra tsy manan-tsiny, ka nolotoiny ny fitoerana masina.

40Noho ny amin’izy ireo, nandositra niala tao Jerosalema ny mponina, ka tonga fonenan’ny olon-kafa; ka zary fivahiniana ho an’izay teraka tao anatiny, ny tanàna; fa nilaozan’ny zanany.

41Ny fitoerana masina tonga foana toa tany efitra, ny fetiny niova ho andro fisaonana, ny sabatany ho fahafaham-baraka, ary ny voninahiny ho fandatsana azy.

42Araka ny voninahiny no nitomboan’ny fietreny, ary ny fahalehibeazany zary fisaonana.

(Jereo 2Mak 6,1-9)

43Namoaka didy tamin’ny fanjakany manontolo i Antiôkosy mpanjaka, mba hiraisan’izy rehetra ho vahoaka tokana, fa samy hanary ny lalàny manokana.

44Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny firenena.

45Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany; ka nanao sorona tamin’ny sampy sy nandoto ny sabata.

46Nisy iraka nampitondrain’ny mpanjaka taratasy ho an’i Jerosalema sy ho an’ny tanàna hafa amin’i Jodà, nandidy azy ireo hanaraka ny fomban’ny olona hafa firenena amin’ny tany,

47hampitsahatra eo amin’ny tempoly ny sorona dorana sy ny sorona amam-panatitra araraka,

48hametaveta ny sabata sy ny fety,

49handoto ny fitoerana masina sy ireo masina,

50hanangana ôtely, hazo masina, tempolin-tsampy, hanolotra kisoa amam-biby maloto hafa hatao sorona;

51hamela ny zanany lahy tsy hoforàna, handoto tena amin’ny loto amam-pametavetana isan-karazany, mba hahatonga azy hanadino ny lalàna sy hanova ny didy rehetra.

52Ka na zovy na zovy tsy hankatò ny didin’ny mpanjaka Antiôkosy, dia hoheloin-ko faty.»

53Toy izany no taratasy naeliny eran’ny fanjakany manontolo, sady nanendry olona hitandrina ny vahoaka rehetra izy;

54nandidy ireo tanànan’i Jodà koa izy, mba samy hanatitra sorona isan-tanàna.

55Be ny Jody no nikambana tamin’ny Sirianina, dia izay rehetra nanary ny lalàna; nanao ny ratsy tamin’ny tany izy ireo;

56ka hany herin’ny Israelita tsy nivadika, dia nandositra eny amin’ny fitoerana takona sy amin’izao karazam-pierena rehetra izao.

57Tamin’ny andro faha-15n’ny volana Kasleo, taona 145, dia naoriny teo ambony ôtelin’ny sorona dorana, ny fahavetavetana lozan-tany. Nanorenany ôtely koa teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, eny amin’ny manodidina.

58Ary nandoro emboka teny am-baravaran’ny trano sy teny amin’ny kianja izy ireo.

59Raha mahita ny bokin’ny lalàna eny ho eny izy, rovitiny aloha dia dorany.

60Izay nahitana bokin’ny fanekena, ary izay niseho ho mbola miraikitra amin’ny lalàna, na zovy na zovy, dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.

61Toy izany no tsy nitondrany roa an’i Israely, ka indray andro isam-bolana, dia novonoiny eny amin’ny tanàna ny Israelita izay trany nandika izany.

62Ny faha-25n’ny volana izy ireo dia nanatitra sorona teo amin’ilay ôtely naorina teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana.

63Araka ny lalàna koa, izay vehivavy nampamora ny zanany dia novonoina ho faty, nahantona teo am-bozony ny zanany;

64norobaina ny tao an-tranony ary natao maty izay nanao ny fandidiana.

65Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerim-po sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin’izay maloto. Naleony maty toy izay handoto tena amin’ny hanina,

66sy hametaveta ny fanekena masina; ka dia maty izy ireny.

67Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’i Israely fahizany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help