Salamo 133 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 133 (Volgata 132)Fiainan’ny mpiray tam-po

1Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mamy,

ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!

2Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany;

ka mitsororoka amin’ny somotra, dia amin’ny somotr’i Aarôna,

sy midina amin’ny sisin’akanjony.

3Manahaka ny andon’i Hermôna izany,

izay milatsaka eo amin’ny tampon’i Siôna;

fa ao no nanorenan’i Iaveh ny fitahiana,

ny fiainana ho mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help